Auteur/autrice : Adnews

Kitra – « Telma Coupe » : manomboka anio ny fifaninanana

Hotanterahina anio sy ra­hampitso ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara « Tel­ma Coupe 2023 », taranja baolina kitra. Araka ny vaovao voaray teny anivon’ny Federasiona malagasin’ny Baolina kitra (FMF), ny dingana voalohany na «1er tour préliminaire » no hatao mandritra ny roa andro. Miisa valo ny ekipa avy amin’ny li­gin’Analamanga, toy ny Le­muria Sport […]

Rugby vehivavy – “Women’s cup D1”: “Zava-dehibe ny fandresena an’i Kenya”, hoy i Berthin Zoto

Hifantoka etsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka avokoa ny sain’ny besinimaro, indrindra fa ny mpankafy ny baolina lavalava, anio sabotsy. Hotanterahina eny an-toerana ny andro voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, lalaovina olona 15, sokajy vehivavy “Women’s cup D1”. Firenena efatra no hiady ho lohany. Anisan’izany ny Makis Ladies, […]

Cisco Maevatanana: mpianatra 70 iray kilasy tsy omena “convocation”

Velon-taraina ny ray aman-drenin’ny mpianatra 70 mianadahy ao amin’ny sekoly tsy miankina Les As, ao amin’ny Cisco Maeva­tanana, fari-piadidiam-pampianarana (Dren) Betsiboka. Hatramin’izao, tsy mbola nahazo ny taratasy fiantsoana hiatrehana ny fanadinana BEPC ny zanak’izy ireo. Ny sekoly rehetra ao amin’ny Cisco Maevatanana, na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, anefa […]

Fitsindronana zava-mahadomelina : ankizy 132 nosamborin’ny polisy nandritra ny volana avrily

Nirongatra ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika (héroïne,  rôrô, rongony…) tato ho ato. Mampalasa adala, mampiakin-doha, mahatonga tsy fandriampahalemana ary mampirongatra aretina maro (Vih sida…) izany. Loza mitatao ho an’ ny tanora ny fifohana sy fitsindronana zava-mahadomelina, raha ny zava-misy. Maro amin’ izy ireny no tratran’ny aretin-tsaina. Misy ny lasa olon-dratsy […]

«Festival» any Italie : loha-lisitra amin’ireo mpanakanto Rajery

«Festival internazionale delle Abilità Differenti». Io no anaran’ilay hetsika goavana hatao any Carpi, Italia, rahampitso alahady 21 mey. Nam­pita vaovao avy any an-toerana Rajery, izay Malagasy mpanakanto anisan’ireo loha-lisitra amin’ity hetsika ity. “Natao hanehoana ny talen­tan’ireo olona manana fahasembanana ara-batana na ara-tsaina nefa tena mahavita zavatra mahavariana ny hetsika. Hizara […]