Auteur/autrice : Adnews

Fitendrena gadona Ba Gasy: hizara ny fahaiza-manaony i Liva Ramorasata

Tanterahina anio, tolakandro, eny amin’ny ivontoeran’ ny Academie Nationale des Arts et de la Culture na ANAC Anosy, ny “Atrikasa Piano Ba Gasy”, karakarain’ny ANAC. Fampiofanana sy fampianarana ny fitendrena ny Piano, amin’ny gadona Bagasy, iarahana amin’i Liva Ramorasata, mpampianatra sy mpandalina mozika, no hameno ny fandaharam-potoanan’ ny atrikasa. Miray […]

Amboara eran-tany «Slam-Poèsie» : tsy tratra ny tanjona ho an’i Hichim

Tontosa omaly, tao Belleville Paris, ny dingana faharoa sady manasa-dalana, ho an’ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny “Slam Poèsie”. Mpifaninana 6, tao anatin’ny 12 naharesy tamin’ny dingana faharoa no tafakatra amin’ny dingan’ny famaranana, tanterahina anio. Tsy tafita ho amin’izany dingan’ny famaranana izany i Hichim. Tsy tratra ny tanjona ho an’ny […]

Mivelatra ny hiragasy…: hisehatra any Frantsa ny tropy Rasoalalao Kavia

Seho telo hatramin’izao no fantatra fa hotontosain’ny tropy Rasoalalao Kavia, any Frantsa. Ny zava-dehibe dia efa manana ny toerany eo amin’ny iraisam-pirenena ny hiragasy… Vaovao lehibe nahafaly ny maro! Hisy fampisehoana hiragasy any Frantsa… Raha mpanakanto sy tarika malagasy, maro ireo misongadina eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena, no fandre. Tsy […]

Fitsarana Anosy : enina ny didy hosoka hita tao anatin’ny iray volana

“Hitanay tamin’ny volana lasa teo fa miverina indray ny fisiana didim-pitsarana hosoka maromaro tonga eto anivon’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo”. Io ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany (I), Antananarivo, ny Me Heri­natrehana Inham Ella, teny Ano­sy, omaly. Mamanafy izany ny fisiana didim-pitsarana hosoka enina voarain’izy ireo. Entaniny, araka […]

Vovonana AMM : « Mila mifanome tanana ny rehetra » hoy i Masy Goulamaly

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Kalotody Mandro­seza, ny fijoroan’ny vovonana Avotantsika Miaraka i Mada­gasikara , AMM. Araka ny maha vovonana azy, fikambanana maromaro no handrafitra izany. Mijoro ara-dalàna sy ara-panjakana ny vovonana ka ny solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao Tsihombe, Masy Goulamaly Marie Jeanne d’Arc no mitarika izany. Tanjon’ny […]