Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, fa tsy azo atao tsinontsinona ireo vahoaka nifidy antsika. “Manantena sy miandry antsika handray andraikitra eo amin’ny kaominina misy antsika izy ireo”, hoy izy, omaly, manoloana izao toe-draharaha izao. Nanteriny fa mitohy ny tolona hamaranana izao fampahantrana sy famotehana ny firenena. Nahavelombolo ireo mpiara-miombon’antoka […]
Auteur/autrice : Adnews
Miala tsikelikely
Vita izay ny fifidianana! Afapo ny mpikarakara ka milaza fa hiditra amin’ny dingana manaraka avy hatrany indray. Hojerena manokana hoe ny vakiraokan’ny lisi-pifidianana, izay nahabe resaka teo aloha. Tanjona ny ho fiatrehana ny fifidianana madio amin’ny taona 2028. Amin’izay fotoana izay no hisy fifidianana manaraka indray, handraisan’ny vahoaka malagasy anjara […]
Herinandro fiaraha-mivavaka: hiteny ny raharaham-pirenena ny FFKM
Hotanterahina etsy amin’ny FLM, 67 ha, rahampitso, ny herinandro fiaraha-mivavaka iarahana amin’ny FFKM. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiteny sy hanana ny hambarany manoloana ny raharaham-pirenena ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy. Raha tsiahivina, anisan’ny nivoitra tamin’ny fanambarana tany Morondava ny volana desambra teo taorian’ny Komity foibe faha-46 ny antso avo ny tokony […]
Kaominina Antananarivo Renivohitra: lany ho ben’ny Tanàna Ramanantsoa Harilala
Nohamafisin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) etsy Anosy, omaly, ny maha ben’ny Tanànan’Antananarivo an-dRamanantsoa Harilala. Nahazo 43,24 % tamin’ny vato manankery izy. Tsy nanova ny voka-pifidianana nibatan’ny kandidàn’ny Irmar fandresena ny nanafoanan’ny Taf ny vokatra tamin’ny birao fandatsaham-bato miisa 40 noho ny tsy fitovian’ny isa tamin’ireo taratasin-datsabato (PV). […]
Tselatra
Jiolahy nitam-basy nikasa hangalatra omby vaky nandositra tao Antanjombe, Ambohimanarina, ny alin’ ny alakamisy hifoha omaly zoma. Henon’ny tompon-trano ny fisian’ireo olon-dratsy ka nitsoaka nandositra izy ireo. Mpanao sinto-mahery voasambotry ny fokonolona ka saika niharan’ny daroka sy vono teny Ampefiloha, afakomaly. Nalain’ny roa lahy tsy fantatra io mpanao ratsy io fa […]