Auteur/autrice : Adnews

Famerana ny ravimbola ho 1 000Ar: Hampiakatra ny lanjan’ny vola malagasy

Betsaka ny tombontsoa ara-toekarena mahakasika ny tetikasan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanova ny rafitry ny vola eto Madaga­sikara. “Hampakatra ny lan­jan’ny Ariary sy hifehezana ny fivezivezen’ny vola ary hampakatra ny tahan’ny fampia­sana banky (taux de bancarisation) izany”, araka ny fanazavan’ny mpahay toekarena, Rakotoarisoa Tahina. Ana­tin’ny vanim-potoan’ny teknolojia ihany koa isika […]

Akamasoa Andralanitra : Napetraka ny fitaovana hitiliana ny kalitaon’ny rivotra

Napetraka ny fitaovana hamantarana ny kalitaon’ny rivotra, iarahana amin’ny Pnud eny amin’ny toby Akamasoa Andralanitra. Misy koa ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny World Trade Center (WTC). Miaina amin’ny fahalotoan’ny rivotra, isan’ andro, noho ny toeram-panatobiana fako ny eny An­dralanitra, ny toby Akama­soa. Manoloana izany, napetraka eny an-toerana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Torohevitra amin’ny fitantanana sy fampiasana ho amin’ny fampandrosoana ny vola azo avy amin’ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa Ambatovy. Izay no fiofanana atrehin’ireo ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eo anivon’ny kaominina enina misitraka ny tamberim-bidy, faritra Alaotra Mangoro. Hateloana, ao Moramanga, ny fiofanana izay natomboka omaly. Nahazo loka faharoa tamin’ireo firenena fito […]

Hetsika Rohy: “Tokony hohavaozina tanteraka ny Ceni”

“Efa nanambara hatrany ny fiarahamonina sivily malagasy fa tokony hofoanana na havaozina tanteraka ny Ceni”, Io ny fanambaran’ny fiarahamonina sivily, avy amin’ny hetsika Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, teny Amba­tona­kanga, omaly, momba ny fiatrehana ny fikarakarana ny fifidianana. Ny rafitra sy ny olona misy amin’izao fotoana izao izany. Satria tsy azo itokisana […]