Nahomby ny fanatanterahana ny andiany voalohany ny tetikasa Madagasikarantsika, ataon’ny vondrona orinasa Imperial Bands. Maherin’ny 200.000 ny zanakazo voavoly, raha 170.000 ny vinavina tany am-piandohana. Nampahafantarina nandritra ny Foara iraisam-pirenen’i Madagasikara (Fim) teny Tanjombato, ny herinandro lasa teo, ny tetikasa tanterahan’ny Vondrona orinasa Imperial Brands. Nanomboka ny volana mey 2021 ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Indray mijery
Nanofana ireo mpilatsaka an-tsitrapo teto Analamanga ny Croix Rouge malagasy, hanamafy ny fahaiza-manaon’izy ireo rehefa misehatra eny anivon’ny fiarahamonina. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola miaraka amin’ny fanohanan’ny FICR sy ny Croix Rouge Allemande, Luxembourg ary Frantsay izany. Bisikileta miisa 171 nozaraina ho an’ireo mpampianatra sy mpianatra mendrika […]
Ady amin’ny lefan-kozatra: hanomboka rahampitso ny fanaovam-baksiny
Hanomboka rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina polio na lefakozatra, ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Tanterahina manerana ny Nosy izany ary haharitra 4 andro. Hidina ifotony, hitety fokontany sy isan-tokantrano ny mpanao vaksiny. Afaka misitraka izany ny zaza latsaky ny 5 taona rehetra. Manodidina ny 5 tapitrisa ireo zaza […]
Fividianana “seringue” : tsy ilàna taratasin’ny dokotera
Nisy fotoana, voarara ny fividianana fitaovam-panindronana na “séringue” teny amin’ny fivarotam-panafody sasany teto Antananarivo, raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera (ordannance). Nampimenomenona sy niteraka fahasorenana tamin’ny mpanjifa sasany izany. Manoloana izany, nanambara ny holafitry ny farmasianina eto Madagasikara, afakomaly, fa malalaka ny fividianana izany. Voalazany fa tsy tomponandraikitra sy tsy nanana fahefana hilaza […]
Fivezivezen’ny sarety: misy toerana tsy azo aleha, handrindrana ny fifamoivoizana
Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana. Nampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafaritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo […]




