Auteur/autrice : Adnews

Basikety-Fanomanana “World Cup 3×3”: hanao ny ezaka rehetra ny Ankoay lehilahy

Hijanona ao Serbie, mandritra ny 15 andro, ha­naraka fiofanana sy hanao fanazarantena, ny Ankoay sokajy lehilahy. Nanome toky ny hanao ny ezaka rehetra ireo mpilalao 4 mi­rahalahy (Livio, Elly, Fiary, Arnol) miaraka amin’ny mpanazatra azy ireo, Randria­narivelo Jean de Dieu (Deda), mandritra ny fotoam-panomanana. Tsapan’ireo mpilalao rahateo fa miandrandra vokatra tsara avy aminy ny Malagasy […]

Baolina kitra- « Coupe Regionales u19 »: norombahan’ny ekipan’Itasy ny 20 tapitrisa Ar

Nifarana omaly, teny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly U19, taranja baolina kitra. Norombahan’ny ligin’Itasy ny amboara sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, rehefa nampiondrika an’i Toliara tamin’ny isa 4 no ho 0. Azon’ny ekipa voa­fantin’Itasy ny fifaninanam-pirenena amboara rezionaly sy ny lelavola 20 tapitrisa ariary, taranja […]

Horonantsarimihetsika : tafaverina ny « Malok’ila »

Tontosa tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy 13 mey 2023, teny amin’ny Mining Business Ivato, ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny horonantsarimihetsika “Ma­lok’ila Le Grand Retour». Hanomboka amin’izay, araka izany, ny fandefasana ity ho­ronantsarimihetsika malaza ity manerana ny Nosy. «Teo amin’ny manodidina ny enim-bolana teo no nikaondoha nanao azy ny rehetra […]

Misaona ny kanto : nodimandry i Claudine, vadin’i Jaojoby

“Nilazaon’ny manangy tsy mirenireny fa mpamelom-bady aman-janaka atsika. Maty tamin’ny 00.30 teo ny vadiko Zafinera Claudine Robert”, hoy ny filazana nataon’i Jao­joby, ny marain’ny sabotsy teo. Efa niady tamin’ny aretina nandritra ny fotoana elaela i Dina na i Claudine. Tsy nahatohitra izany izy ka izao nindaosin’ny fahafatesana izao ity mpanakanto […]