Auteur/autrice : Adnews

Kitra – «Tournoi Inter Lycée» : tompondaka ny JJ Rabearivelo sy ny LTC Ampefiloha

Tontosa ny sabotsy 6 mey lasa teo, teny amin’ny kianja synthètique Andoha­lo, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny mpianatra «Tournoi inter Lycée» andiany faharoa nokarakarain’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra sy ny Yest Agency. Nan­drom­baka ny fandresena, teo amin’ny sokajy vehivavy, ny LTC Ampefiloha rehefa nandresy ny JJ Rabearivelo, tamin’ny isa 2 […]

Farafangana : nidiran’ny jiolahy ny faritry ny oniversite

Natolotra ny fampanoavana ka naiditra am-ponja ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fa­nafi­hana tao amin’ny Oni­ver­site Fara­fan­gana. Raha ny tatitra nampny polisy, ny 2 mey 2023 alina, tao Bevoa Fara­fangana, fokontany Mahatsa­ra Atsimo, na­hazo antso avy amin’ny tomponandraikitra ao amin’ny oniversite ao Fa­rafangana ny polisy fa misy olon-dratsy tafiditra ny […]

Fifidianana tsy mitondra korontana : manana andraikitra goavana ny mpanao gazety

Manofana sy manabe ireo olom-pirenena handray andraikitra amin’ny fifidianana ny Safidy (Sampana Anaraha-maso ny Fifidiana­na Ivon’ny Demokrasia Ifa­rimbonana). Nifarana omaly, tetsy Antananinarenina, ny atrikasa nokarakarian’izy ireo ho an’ny mpanao gazety, nandritra ny telo andro. Atrikasa mikasika ny paikadim-panabeazana sy fanentanana ny olom-pirenena handeha hifidy. “Manana anjara andraikitra goavana ny mpanao gazety […]