Auteur/autrice : Adnews

Efa nahazo 10 m: jiolahy tratra teo am-panapahana taribin-jiro

Tsy eto an-drenivohitra ihany! Nahatratra jiolahy iray teo am-panapahana taribin-jiron’ny Jirama ny zandary raha sendra nanao fisafoana tampoka tao amin’ny fokontany Ampasikibo/ To­liara I, ny alahady alina tamin’ny 11 ora. Nosambo­rina avy hatrany ity jiolahy ity, hita nandritra ny fisavana azy ny famaky iray niaraka tamin’ny kitapo nisy taribin-jiro mirefy […]

Areti-mandoza : andairan’ny lefakozatra ny olon-dehibe

“Efa tsy ireo zaza intsony fa azon’ny lefakozatra hatramin’ny olon-dehibe amin’izao fotoana ”, hoy ny teknisianina eo anivn’ny DPEV, Dr Ranivoarison Jean Eric. “Nalemy teo am-pandriana ka niafara tamin’ny famoizan’aina avokoa ireo olon-dehibe tratran’io aretina io teto Analaman­ga”, hoy ny fanamafisany. Hiadiana amin’ny fiparitahan’io valanaretina io, hisy ny hetsika vaksiny faobe […]

Fanjarian-tsakafo : Iankinan’ny fisokafan’ny vavahadin-tsain’ny zaza

Tafiditra ao anatin’ny tontolon’ny fanjarian-tsakafo ny sehatry ny fanokafana ny vavahadin-tsain’ny zaza, raha ny lohahevitra noresahin’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (ONN), omaly. Tsy tokony hatao ambanin-javatra, araka izany, ny sakafo ampy sy iankinan’ny fitomboan’ny zaza na ara-tsaina na ara-batana ao anatin’ny enin-taona voalohany hanokafana ny vavahadin-tsainy. Tombontsoa amin’ny fikoloana ny […]

Marotondro Vida : hanatsara ny tahan’ ny fanaovam-baksiny

Manana marotondro Vida azo kirakiraina amin’ny ala­lan’ny teknolojia vaovao ny fandaharanasa momba ny fanaovam-baksiny eto amintsika. Fitaovana iray manome torolalana amin’ny paikady hanatsarana ny fanaovam-baksiny izy ary ahitana ny antontanisa rehetra momba ny fahavitrihana, famatsiam-bola, ny fampitaovana samihafa eny anivon’ny distrika. Manampy amin’ny fanapahan-kevitra eny ifotony rai­sin’ny tomponandraikitra ny Vida […]

Tsarasaotra-Antsofinondry: mikojakoja ny lalana pavé ireo kaominina manodidina

Ifarimbonan’ny kaominina 4 ny fikojakojana ny lalana eny Tsarasaotra-Antsofinondry. Manatanteraka izany izy ireo ankehitriny. Saropiaro amin’iny lalana iny ihany koa ny kaominina ka ho hentitra amin’ny fanasaziana ireo minia manimba izany. Taorian’ny fidinan’ny governoran’Analamanga teny amin’ny lalana pavé mampitohy an’i Tsara­saotra sy Antsofinondry dia midina nanatanteraka ny fi­kojakojana iny lalana […]