Auteur/autrice : Adnews

Fiatrehana ny fifidianana : nampitandrina ireo mikasa hanakorontana Raholdina

Tsy nitsitsy fitenenana ary hentitra ny depiote etsy amin’ny boriborintany fahadimy, Raholdina Naivo, amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Nilatsaka ny fampitandreman’ity olom-boafidy IRD ity. «Aoka isika tsy ha­nana ahiahy amin’ny hizoran’ny fifidianana. Handrai­sana fepetra ireo mikasa ny hanakorontana. Tsy azo ekena ny bontolo na ny fikotrehana fanakorontanana», hoy izy, ny […]

“Raharaha Razaivola Raïssa” : mila porofo ny fisiana kolikoly

“Tena mamoafady ny kolikoly, ka tokony ho voaporofo mazava hoe: nisy tokoa ve izany? Raha misy tokoa izany, tsy tokony ho azo leferina. Tsy amin’ny “Raharaha Razai­vola Raïssa” ihany, fa amin’ny raharaham-pitsarana re­he­tra”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, Ran­dria­manantenasoa Landy Mbo­latiana, tany Fianaran­tsoa, ny herinandro teo. Marina fa nilaza […]

Foto-drafitr’olona

Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana amin’izao? Voalohany sy lehibe amin’izany ny fanorenana fotodrafitrasa; eny, na hoe atao laharam-pahamehana aza ny sosialim-bahoaka noho ny fahasahiranana marolafy. Teo ny dona vokatry ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, ny rivodoza maro nifanesy, ny krizy ateraky ny ady eo amin’i Ukraine sy i Rosia… […]

Avy nandona taxi… : Iray maty, fito naratra nofaohin’ny fiara 4×4

Olona iray no fantatra fa maty tsy tra-drano raha fito hafa kosa naratra mafy tamin’ilay lozam-pifamoivoizana nahatsiravina teny amin’ny lalam-baovao Andramiarana, kaominina Ambohibao Antehiroka, omaly tolakandro… Maty tsy tra-drano ny skoto iray nandeha an-tongotra, nofaohin’ny fiara 4×4 iray teny La Réunion kely, lalam-baovao Andramiarana ,fokontany Mo­rondava, kaominina Am­bohibao Antehiroka, omaly […]