Nafana tanteraka ny seho mozika mavesatra tetsy amin’ny Lounge Bar Analakely, ny alahady 30 avrily teo. Nanapoaka izany ny tarika hirain’ny andriambavilanitra, ny tarika Di-Anna, nihira ny an’ny tarika Avenged sy Pantera, izay tena nahery vaika tokoa. Tonga maro rahateo ny mpankafy sy mpiondana ny gadona metaly sy ny tontolony. […]
Auteur/autrice : Adnews
40 taona an-tsehatra : namaly hatrany ny hetahetan’ny mpankafy i Poopy
Namoaka mpanakanto tsy lefy laza maro ny taona 1983… Anisan’ireo manamarika ny faha- 40 taona niakarany an-tsehatra koa i Poopy. Mbola noporofoiny kosa fa manan-toerana ao am-pon’ ny mpankafy izy… Am-polony ny seho tamin’iny faran’ny herinandro iny, raha ny teto an-drenivohitra fotsiny. Anisan’ireo nisongadina indrindra tamin’ireny ny an’i Poopy ny tolakandron’ny […]
Fitsinjaram-pahefana miabo : efa miroso ny fanjakana
“Tsy miandry ny fahavitan’izay drafi-pirenena izay ny fitondram-panjakana vao nanao ezaka amin’ny fitsinjaram-pahefana. Efa betsaka ny zava-baovao nentin’izao fitondrana izao hanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Eo, ohatra, ny fampitomboana ny vola fanampiana ny kaominina sy ny faritra. Eo koa ny fanomezana fitaovana ny faritra 23 amin’ny fanamboaran-dalana…” Io no nambaran’ny minisitry […]
Mahajanga : saika nifandona ny depiote sy ny zandary
Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny ekipan’ny Mihava Tour. Tany an-drenivohitr’i Boeny izy ireo, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nafampana ny raharaha, nanomboka teny am-pidirana ny tanàna hatreny amin’ny toerana nifamotoan’izy ireo tamin’ny mpanara-dia. Nisy fotoana efa nifampisintonan’ny depiote Voninahitsy Jean Eugène sy ny mpitandro filaminana iray ny vy maranitra, natao sakan-dalana. […]
Fetin’ny asa : nanao hetsika ny SSM sy ny CTM
Tontosa omaly, nandritra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny asa, ny diabe nokarakarain’ny Solidarité Syndicale de Madagascar, SSM sy ny Conférence des Travailleurs Malagasy, CTM. Niainga teny Tsaramasay Ankazomanga ary nifarana teny amin’ny Kianjan’Alarobia izany diabe izany. Tonga namaly ny antson’ny mpikarakara ny mpiasa samihafa, indrindra ny avy amin’ny tsy miankina. […]




