Namoaka tolotra vaovao hanamorana ny fandefasana vola ny Sipem banque sy ny Orange Money. Misy ny tolotra “Bank to Wallet” ahafahan’ ny mpanjifa manana kaonty Orange Money sy manana vola eny amin’ny Sipem Banque misitraka izany. Hanamora ny fangalana sy fandefasana vola ny tolotra, noho izy ampiasaina amin’ny finday ihany. […]
Auteur/autrice : Adnews
Ambodin’Isotry : ho vita afaka 15 andro ny lalana
Miisa 43 ny lalana arenina eto an-dRenivohitra, ao anatin’ ny fandaharam-potoanan’ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP). Efa vita ny eny amin’ ny lalana By-Pass Ankadimbahoaka. An-dalana, efa vita 75% ny eny Ambodin’Isotry, Aigle Noir, izay hisokatra ho azo andehanan’ny fiara afaka 15 andro. Hitohy eny amin’ny Cnaps Ampefiloha, Tsaralalàna, Analakely indray […]
Fiampitana amin’ny zahatra : andoavana 50.000 Ar isaky ny fiara ny RN 5
Mihantona ny asa fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN 5), amin’ny tapany mianavaratra. Miainga eo Soanierana Ivongo mankany Mananara Avaratra ary Maroantsetra. Velon-taraina ny mponina, indrindra ireo fiara mpampiasa lalana. Lasa ataon’ ny mponina fitadiavam-bola ny fampiasana ny tetezana sy ny fiampitana amin’ny zahatra (lakana vita amin’ny volobe) any amin’ireo toerana […]
Minisitra Ramilison Harifidy: tsy tokony hanafatra vary any ivelany isika
Karohina ny vahaolana maharitra hikojakojana ny lemaka voatondraka eto amintsika. Tokony ho ampy tsara ny voka-bary eto an-toerana, raha voakojakoja araka ny tokony ho izy ny fotodrafitrasa ara-pambolena. Atao eto Antananarivo, ny 27 sy 28 avrily izao, ny atrikasa ho fitadiavana vahaolana maharitra amin’ny fikojakojana ireo lemaka voatondraka eto Madagasikara. […]
Mihena ny fanaovam-baksiny: 200 ny tranga vaovao amin’ny poliomelita voatily
Nanomboka ny volana septambra 2020 ka hatramin’izao, 200 ny tranga voatily teto amintsika ary tsy ny ankizy madinika ihany no tratrany fa hatramin’ny tanora. Nahitana tranga iray niseho tamin’ ny olona efa 24 taona. Teto Antananarivo, amin’ny distrikan’Atsimondrano no nahatiliana ny tranga farany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Unicef, […]




