Auteur/autrice : Adnews

Judo-Fifaninanam-pirenena : hitiliana izay handrafitra ny ekipa nasionaly

Hotontosaina ny 14 hatramin’ny 16 avrily ho avy izao, ao amin’ny kianja mitafon’ Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy rehetra, taranja Judo. Hitiliana ireo mpikatroka mendrika handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Cadets sy Juniors, ity fifaninanam-pirenena ity. Ara­ka ny efa fantatra, eto […]

QMM : nonerana vola ny mpanjono sy ny mpampiasa ny tany

Natao ny sabotsy 11 marsa teo ny fanonerana vola farany, nataon’ny orinasa QMM ho an’ny mpanjono sy ny mpampiasa ny harena voajanahary any Taolagnaro. Miisa 5.342 izy ireo no nahafeno ny ma­sontsivana, niarahana nametraka tamin’ny fomba tsy mitanila tamin’ny alalan’ny vaomiera iombonan’ny roa tonta, notarihin’ny faritra Anôsy. Mitotaly 11 miliara […]

AFROMEDI III : «Mahazo mitaky ny fandaniana amin’ny trosan’ny fireneny ny mpanao gazety”

Tanterahana any amin’ny Mensvic Hôtel, Accra, renivohitr’i Ghana, ny andiany fahatelo amin’ny African Media Initiative III (AFROMEDI). Tetikasan’ny African Forum and Network on debt and development, miaraka amin’ny Africa Centre for Energy Police. Tanjona ny hifampizarana traikefa sy hanatevenam-pahalalana ho an’ny mpampita vaovao momba ny fitantanana ny trosa eo anivon’ny […]

Miandrivazo -Tsaramaso : ireo mpanangom-bokatra no manapaka

Vokatra iray mampalaza ny faritra Menabe ny tsaramaso hatramin’izay. Anisan’ny nanohana ny famokarana ny AD2M*, ka nitombo ny vokatra tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, saingy tsy betsaka mpanangom-bokatra , araka ny voalazan’ny mpamboly sasany. Tsara ny masomboly no­za­raina tamin’ireo tantsaha. Raha nisy nampiasa masomboly 150 kg teo aloha nahazoana 500 kg, […]