Auteur/autrice : Adnews

Judo-Tomakazu Iwahori: hitohy ny fifampizarana amin’ny mpikatroka malagasy

Tsara sitrapo japoney, nitondra anjara biriky teo amin’ny tontolon’ny Judo malagasy, nanomboka tamin’ny taona 2022, i Tomakazu Iwahori. Mbola hotohizany amin’ity taona 2023 ny fiaraha-miasa. Anisan’ny angady nananana tamin’ny vokatra tsara nentin’ireo judokas malagasy niatrika fifaninanana iraisam-pirenena ta­min’iny taona 2022 iny, ny traikefa ara-teknika nomen’ny manam-pahaizana Tomakazu Iwahori. Niara-nisalahy ta­min’ny […]

Herisetra : naratra ny lohany, folaka ny tanan’ilay ankizy novonoin-drenikeliny

Hatolotra ny fampanoavana ny renikely nahavita nanao herisetra tamin’ny zana-badiny. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Sambava, ny zoma teo, izy noho ny fandratrana sy famonoana ankizy. Ankizilahy 6 taona ity niharan’ny herisetra ity tao amin’ny fokontany Antsirabe Sambava. Nikia­kiaka nitomany ilay ankizy rehefa novonoiny sy nodarohany tao an-trano. […]

Fanombohan’ny fiofanana : nanao dia an-tongotra niaraka ireo zandary USAD faha-29

Nanomboka omaly ny fiofanana ho an’ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra mandrafitra ireo hery manokana eo anivon’ny zandarimaria miady amin’ny asan-dahalo (USAD) andiany faha-29. Dia an-tongotra nampitohy an’Ambatofotsy sy Ambatolampy niarahan’izy ireo tamin’ny manamboninahitra ambony, ary manamboninahitra lefitra miasa ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN), notarihin’ny lefitra voalohan’ny kaomandin’ny FIGN, […]

Rajaonarimampianina Hery: nitafa tamin’ny mpanara-dia azy

Notanterahina ny alatsinainy 13 febroary 2023, teny amin’ny foibe toeran’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Ma­da­gasikara na HVM, eny Andraharo Antananarivo ny fihaonana teo amin’ny filoha mpanorina ny antoko sy ny mpanara-dia azy. Fotoana nanaovana ny tafatafa sy resadresaka taorian’ny fahatongavan’ity filoha teo aloha ity teto Madagasikara, ny asabotsy 11 […]