Auteur/autrice : Adnews

Filoha Rajoelina Andry: tokantrano 2570 hisitraka vola 120 000 Ar

Anisan’ireo nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny distrikan’Ambato Boeny. Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry nandritra ny diany tao Ma­rovoay ny herinandro lasa teo, tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano ny ankamaroan’ny […]

Rugby: mitaky ny mangarahara ny ekipa «  Top 20 »

Miisa 14 ireo ekipa ao amin’ny Top 20, izay mitaky ny taratasy mangarahara na ny “certificat de conformité” an-dRakotomalala Marcel, filohan’ny Malagasy Rugby. Araka izany, nangataka ny tsy hanaovana ny fifaninanana Top 20, amin’ity taom-pilalaovana 2023 ity, izy ireo. Araka ny valan-dresaka nataon’ireo ekipa 16 tonga teny Antanimena, ny omaly. […]

Lomano-Analamanga : nanokatra ny taona 2023

Nisokatra ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifaninanana teo amin’ny sokajy « Jeunes » ny nanombohana izany, izay nivondronan’ireo seksiona sy klioba mandrafitra ny ligin’ Analamanga. Mbola ho avy ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy hafa, fa fanombohana ity, […]