Auteur/autrice : Adnews

Fanohanana ny Filoha Rajoelina: « Tsy maintsy miray hina ny mpiaradia rehetra », hoy ny GMMAR

Anatin’ny fametrahana ny rafitra manerana ny Nosy ankehitriny ny « Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoelina » na ny GMMAR, tarihin’ny filoha nasionaliny, Atoa Ranarison Maminirina na i Mamy Jô. Taorian’ny tany amin’ny faritany, anatin’ny mandrindra sy mametrapetraka ny eto amin’ny Faritra Anala­manga ny fikambanana. Nisan­tarana izany ny fandraisana anjara tamin’ny […]

Fiaraha-miasa: antsoina ny Japoney hifampiraharaha amin’ny Malagasy

Nihaona ny masoivoho japoney, Abe Koji sy ny minisitra misahana ny indostria, varotra sy fanjifana, Razafindravahy Edgard, ny 7 febroary 2023. Nifantoka momba ny lavanila, ny amin’ny tetikasa indostria isaky ny distrika (Odof), ary ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny dinika nifanaovana. Momba ny lavanila, notsiahivin’ny minisitra ny […]

Orange sy AMN Ltd : manitatra ny tambajotra any ambanivohitra

Nifanaraka ny Orange Ma­dagascar sy ny AMN Ltd, omaly 8 febroary 2023, hanitatra tambajotra any ambanivohitra, izay misy mponina maherin’ny iray tapitrisa ivelan’ny nomerika hatramin’izao. Toerana 500 isa no kasain’ny Orange sy AMN hapetraka eny ambanivohitra. Ireo toerana ireo hahafahan’ny Malagasy mifandray lavitra, tsy voatery mifindra toerana any amin’ny tanàn-dehibe. […]

60 taonan’ny Fimpima : omena lanja ny kabary sy ny fizahantany

Hatomboka amin’ny 18 fe­broary 2023 ho avy izao ny fankalazana ny faha-60 taona ny Fikambanan’ny mpikabary ma­lagasy (Fimpima). Hisy diabe hiainga eo amin’ny gara Soa­rano, hifarana eo amin’ny kianja malalaky ny Lapan’ny Tanàna. Hiarahan’ny Fimpima amin’ ireo mpisehatra amin’ny fizahantany ity hetsika ity. Nampahatsiahivin’ny filohany, Rtoa Andriamboavonjy Hanitra, fa nisy […]