Olona telo voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP 3 Antaninandro nanomboka ny 8, 9 ary 10 marsa lasa teo. Voarohohorohy tamin’ny resaka halatra izy ireo. Voasambotra tao Mahavoky, nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy, ny alin’ny 08 marsa 2026, lasa teo ny iray. Tratra nangalatra moto teny Mahavoky Besarety, ny 09 […]
Auteur/autrice : Adnews
Naiditra am-ponja : Vehivavy 32 taona nisoloky 136 tapitrisa Ar
Notazomina vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora, afakomaly 10 marsa 2026 lasa teo, ny vehivavy iray 32 taona. Taorian’ny fampiakarana fampanoavana azy teny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly ihany. Voarohirohy tamin’ny resaka fisolokiana vola sy fisandohana andraikitra ary ny filazana fa afaka mampiditra olona ho mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena syn y vola […]
Mpatory an-dalana : Lehilahy iray hita faty tetsy Anosy
Nahitana fatin-dehilahy iray manodidina ny 40 indray tetsy Anosy, anelanelan’ny fivarotana voninkazo sy ny lalamby, omaly tamin’ny 6ora maraina. Mpivarotra vao maraina no nahita olona natory ary efa tsy misy aina intsony, ka nampandre ny tomponandraikitra. Raha ny fitantaran’ny olona teny amin’ny manodidina, heverina ho olona tsy manana trano hitoerana […]
Nandrasana kendry tohina : Iray maty, fito naratran’ny 70 lahy nanafika tanàna
Zava-doza indray no nafitsoky ny olon-dratsy, omaly maraina, tao Beadabo, Mahabo. Olona iray namoy ny ainy, fito naratra vokatry ny fanafihana nataon’ny jiolahy miisa 70. Notafihan’ny jiolahy manodidina ny 70 ny fokontany Beadabo, kaominina ambanivohitra Mahabo, distrikan’i Betroka, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 2 ora tany ho any. Efa niandry […]
Taranja Basket Ball : Sambany hisy “Élite U23” eto Madagasikara
Teo amin’ny tantaran’ny basikety malagasy, sambany ny fisian’ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, toy ity karakarain’ny ligin’Analamanga ity. Fifaninanana nanomboka ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano ary hatao isaky ny faran’ny herinandro, mandritra ny 8 volana. Ekipa 10 eo amin’ny sokajy lehilahy sy […]




