Nanolotra lamina manokana ny Antokondraharaha misahana ny fifamoivoizana an-tanety (ATT), amin’ny fiatrehana izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao izao. Ho an’ ny eto Antananarivo sy ny manodidina, hisokatra ny biraon’ny ATT Soarano, anio sy amin’ny sabotsy 28 desambra ary ny alarobia 01 janoary sy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahasalamana: Notolorana boky ireo mpitsabo
Notoloran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, boky ireo mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra hanampy azy ireo amin’ny fomba fiasa. Mirakitra ny torolalana mahakasika ny fandraisana an-tanana ny marary izany. Miendrika algorithme na ordinogramme izy ity. Miisa 3 000 ireo natonta. Tsy hisy CSB ho hadino na iray […]
Noelin’ny mpiasa: Niara-faly ny mpiasa eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina
Niara-nitotorebika sy nilanona ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy teo. Fety nanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny rehetra izy io. Nankalaza ny “Noelin’ny mpiasa” niaraka ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy lasa teo. Natao tetsy amin’ny Manoir Orimbato Antehiroka ny lanonana niarahan’ny […]
«Cours des dirigeants sportifs»: Federasiona 8 nanana solontena
Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika malagasy-Ivandry, ny fanolorana mari-pankasitrahana, ireo mpiofana nanaraka ny « cours des dirigeants sportifs », nokarakarain’ ny Kom. 17 mianadahy (11 lahy sy 6 vavy) no nisitraka izany fampiofanana izany, nanomboka ny fiandohan’iny herinandro iny ary nifarana ny sabotsy teo. Nampiavaka ity andiany […]
Judo-Mada 2024: Mpikatroka 257 nandray anjara
Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Minimes hatramin’ny Seniors, taranja Judo. Mpikatroka 257, avy amin’ny ligy 7, manerana ny Nosy no tonga nandray anjara. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Bruno Eric Said, fa nisy ireo […]