Ho fanamafisana ny fahafahan’i Madagasikara miatrika ny ambana ara-pahasalamana, manohana antsika amin’ny fampandehanana ny centre opérationnel des urgencies de santé publique ny CDC Afrika. Tapaka teo anivon’ny filankevitry ny minisitra fa ny fanjakana no hanome fitaovana io ivontoerana io. Manampy amin’ izany sy ny fanofanana ny mpiasan’ny fahasalamana ny CDC […]
Auteur/autrice : Adnews
« Vonjeo ny fampianarana »: Sehatra handraisana ny hevitry ny rehetra
Nanao antso « Vonjeo ny fampianarana » ireo mpisehatra eo amin’ny fanabeazana eto Madagasikara, omaly, teto Antananarivo, ka mpitondra teny, Ramakavelo Geneviève. Antso miantefa amin’ireo rehetra voakasiky ny fanabeazana, manomboka eny amin’ ny ambaratonga fototra hatramin’ny fampianarana ambony. Efa misy ny vovonana ahitana ny lafin-kery samihafa (sendikà Sempama, sekoly tsy […]
Jiron’ny Krismasy : Hafindra eny Ambohijatovo
Ho fanomezana fahafaham-po ny mponin’Antananarivo dia horavahina jiro manamarika ny fetin’ny Krismasy ny eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo. « Noelin’ny fitia » no hiantsoana ny hetsika amin’ity taona ity. Hisokatra anio hariva ny fitsidihana maro loko ka hifarana ny 5 janoary. Misokatra ho an’ny rehetra manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina […]
Fahasalamana : Nitondra fahombiazana ny tetikasa RISE
Naharitra 4 taona ny tetikasa RISE izay nisehatra tamin’ny tontolon’ny fahasalamana, indrindra ny fanaraha-maso ny valanaretina. Nitondra fanatsarana teo amin’ny sehatry ny fikarohana ny tetikasa. Nifarana ny tetikasa Research, Innovation, Surveillance and Evaluation (RISE), nanampy betsaka ny sehatry ny fahasalamana teto Madagasikara. Tetikasa novatsian’ny USAID vola mitentina 8 tapitrisa dolara. […]
TARATRY ny KANTO
Hiaka-tsehatra eny amin’ny Arkadia Analakely indray ny Be Tige Teams, anio. Hisy ny seho iarahana amina mpanao hatsikana Stand Up miisa enina, avy amin’ny Be Tige Comedy. Handray anjara amin’ izany ry Lanja Babeine, Raytra, Tsiresy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fampivelarana sy fampiroboroboana ny Stand Up eto Madagasikara izy ity. […]