Auteur/autrice : Adnews

Governemanta… masaka

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na […]

Ady tanimbary: notifirin’ny vinanto lahy ny rafozany

Tifitra vary raraka, fira famaky izany no nanjo ireto lahy antitra mirahalahy ny fa­ran’ny herinandro lasa teo. Notafihan’ny vinantony izy ireo, noho ny disadisa momba ny tanimbary. Zava-doza no niseho tao Bevaho fokontany Ivolo, kaominina ambanivohitra Kotipa, distrikan’ Ivohibe, ny zoma teo. Niafara tamin’ny vono olona ny disadisam-pianakaviana tamina resaka […]

Tselatra

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo mpamono olona iray tao amin’ny kaominina Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano ny 05 janoary teo. Nanafika raim-pianakaviana iray ny alin’ny 30 desambra ka namono nahafaty azy , nokarohin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ity dahalo ity. Naratra ny roa tamin’ireo nanara-dia tamin’io andro io. Ny marain’ny […]

Vono olona : fatim-behivavy nifatotra natsikafon’ny rano

Vono olona mahatsiravina ny natao an’ilay vehivavy hita faty teo amin’ny “pont” mainty Toamasina, omaly maraina. Niboridana tanteraka izy ary nifatotra ny tongotra aman-tanany. Mampivarahontsana ny tsy fandriam-pahalemana ao Toa­masina. Omaly maraina, vehivavy iray sahabo ho 30 taona teo no hita faty natsingevan’ny rano, teo amin’ny “pont” mainty, fokontany Tanambao […]