Auteur/autrice : Adnews

Ratsy ny lalana, tsy ampy ny tahiry : niaka-bidy indray ny vary

Niakatra indray ny vidim-bary eny an-tsena nanomboka, omaly. Haratsian-dalana noho ny orana sy tsy fahampian’ny tahirin’ny tantsaha no nambaran’ny minisiteran’ny Varotra ho anton’izany. Mitaraina amin’ny vi­dim-bary eny an-tsenakely avokoa ireo mponina ho an’ny eto an-dRenivohitra, nanomboka ny tapaky ny volana desambra teo. Araka ny nambaran’ny mpamongady vary iray etsy amin’ny […]

Tselatra

Niakatra fampanoavana omaly ireo olona miisa telo voatondro nisoloky olona tamina resaka « mercure ». Niseho teny Vontovorona ity fivadiham-pitokisana miharo fisolokiana ity, hoy ny fanazavan’ny loharanom-baovao iray. Nambarany tamin’izay fa efa nahazo vola mitentina 5 tapitrisa Ar mihitsy ireo jiolahy tamin’ity raharaha ity. Voasambotra afakomaly atoandro teny amoron’ny lalam-by teo […]

Ambatofinandrahana : basy mahery vaika roa naterina teny amin’ny zandary

Mitohy ny ady hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny alalan’ny tagnamaro ataon’ny zandary. Basy roa mahery vaika indray no tafaverina. Fitaovam-piadiana roa mahery vaika indray no naterin’ny tsara sitrapo teny anivon’ny zandary tao amin’ny fokontany Ambatolahy, kaominina ambanivohitra Am­bon­dromisotra, distrikan’ Am­batofinandrahana, ny 02 janoary teo. Miady amin’ny asan-jiolahy sy fanatanterahana ny […]

Antanimora : naverina am-ponja i Mahery Lanto Manandafy

Dimy andro monja, taorian’ny nivoahany ny fonjan’Antanimora! Nosamborina sy naiditra am-ponja indray i Mahery Lanto Manandafy na i Malama, omaly antoandro. Naverina eny Antani­mora i Manandafy Ma­hery Lanto (Ma­lama) taorian’ny fivoahany ny fonja ny 31 desambra teo. Enjehina mikasika ny raharaha tamin’ny 17 desambra 2020, tany Toamasina izy. “Maty ny […]