Nifampiarahaba noho ny taona vaovao, teny Faravohitra, ny mpikatroka Tim. Nitodihan’ny filoha nasionaly, Ravalomanana Marc tamin’ny lahateniny ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy. “Naka lesona tamin’ny nitranga hatramin’izay isika. Efa niova aho ary mahafantatra ny ataoko. Tsy ho azo ambakaina intsony fa hafa ny toy ny tamin’ny 2018”, […]
Auteur/autrice : Adnews
Taom-pifidianana ny 2023 : mila ary itakiana fitoniana tanteraka
Fifidianana no hibahan-toerana eo amin’ny tontolo politika sy ny fainam-pirenena ankapobeny amin’izao taona 2023 izao; eny, na any amin’ny faramparan’ny taona aza izany. Efa ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fifidianana tanteraka izao. Hanao ahoana? Laingalainga, toa mila ho raiki-tampisaka amin’ny mpanao politika sasany ny fanahiana sy fahatahorana krizy politika mialoha […]
Saka beloha
Vita izay ny fety ! Fotoanan’ny asa avy hatrany isika. Na eny anivon’ny tokantrano na amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy mandroso isika, na inona na inona sakana. Tsy misy afaka ny hihalangalana satria adidin’ny olom-pirenena tsirairay no miahy ny ankohonany sy mitondra ny anjara birikiny ho an’ity tanindrazana iaraha-manana ity. […]
Zatovo mamon-drongony: zandary roa notsindroniny antsy
Noleran’ny tovolahy iray antsy avy ao ivohony ny zandary nandrindra fifamoivoizana, omaly. Voadidy teo amin’ny tanany ny zandary iray hafa, nanavotra ity namany ity. Maty noho ny ratra nahazo azy nandritra ny fisamborana ilay mpidoroka. Solo, izay no anarana fiantsoan’ny mpiray tanàna azy. Tovolahy sady mpidoroka no mampihorohoro ny mponina. […]
Tselatra
Zazamena vao valo volana efa tsy nisy aina intsony no hita tao anaty rano maloto tetsy Anjanahary omaly taorian’iny oram-be nikija iny. Natsingevan’ny rano izany ka hitan’ireo mponina teny an-toerana. Tsy fantatra hatreto izay olona ninia nanao ity habibiana ity. Marihina fa melohin’ny lalàna velona ny zavatra toy izao.




