Noraofin’ny olon-dratsy indray ny taolam-paty tao Antsifotra, fokontany Vohitrarivo, kaominina Manampisoa, distrikan’Ambalavao, omaly. Naharay antso ny ben’ny tanàna ao an-toerana fa nitrangana vaky fasana anatin’io fokontany io. Niantso ny manam-pahefana, nidina nijery ifotony ny zava-nisy ireo tompon’andraikitra. Nisokatra sy nakorotan’ireo tsivalahara ny fasana. Natao ny fanadihadiana ny tompom-pasana ka 56 […]
Auteur/autrice : Adnews
Kamiao tra-doza : olona iray naratra mafy teny amin’ny RN7
Nentina novonjena eny anivon’ny CHU Tambohobe Fianarantsoa ny mpamily mpanampy ny kamiao lehibe iray tra-doza tao amin’ny fokontany Volamena, kaominina Ambalakely, distrikan’i Lalangina teo amin’ny PK 396+400, omaly alahady. Noho ny olana teo amin’ny hisatra, nifatratra tany amin’ny tokantrano iray ilay kamiao.Tsy tafarin’ny mpamily intsony ny fiara ka nivadika teo […]
Filoha Rajoelina: nanome fanalefahan-tsazy ireo voafonja
Nisongadina nandritra ny kabary famaranana ny taona 2022 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny fanalefahan-tsazy ho an’ireo voafonja. Toy izao ny fitsinjarana izany, araka ny fanazavan’ny Filoha. Ho an’ireo nahazo sazy an-tranomaizina mandritra ny dimy taona no ho midina dia hahazo fanalefahan-tsazy eo anelanelan’ny telo volana ka hatramin’ny valo volana. Ireo […]
Cristiano Ronaldo: mikarama be indrindra maneran-tany
Vita ny asabotsy lasa teo ny fifanaovan-tsonia, momba ny fifindran’i Cristiano Ronaldo (CR7), ao amin’ny klioba Al Nassr Arabia Saodita. Mahatratra, hatrany amin’ny 200 000 000 Euros isan-taona ny vola raisiny. Haharitra roa taona ny fifanarahan’ny roa-tonta, izay tsy ho tapitra raha tsy ny taona 2025. 38 taona i Ronaldo. Maro […]
NY VINAN’ IREO ATLETA
Rasoanaivo Razafy Laura (Judoka) -Vinako amin’ity taona 2023 ity, ny hampitombo ny isako hahazoako ny tapakila hiatrehana ny Lalao olympika 2024. Hiezaka ny hitazona ny anaram-boninahitra efa eo ampelatanako aho. Fanamby ny hahazoako ny tompondaka an’i Afrika sokajy Junior. Ankoatra izay, haka medaly amin’ny fiadiana ny tompondaka an’i Afrika sokajy […]




