Auteur/autrice : Adnews

Tsy mifidy taona intsony…: tratran’ny polisin’ny BFP ireo tontakely mpisoloky

Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no na­hasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizi­lahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny […]

Mahajanga : may ny orinasa Sitam

Nijoalajoala ny afo tao amin’ny orinasa Sitam « So­ciété Internationale des Ta­bacs Mal­gaches », omaly to­kony ho ta­min’ny 02 ora ma­raina, tao Manjarisoa-Maha­janga. Voka­ny, may avokoa ny iray ampahatelon’ny « entrepôt » an’ity orinasa ity. Hatre­to tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, fantatra kosa fa antapitrisa maro ny totalim-bidin’ny entana levon’ny afo. « Olon-tsotra […]

Ambondromamy: dahalo raindahiny maty voatifitry ny zandary

Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Manerinerina ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, ny asabotsy alina lasa teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambondromamy tamin’io fotoana io ka isan’ny tompon’antoka tamin’izany ity dahalo ity. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny moto niaraka tamin’ireo […]