Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny KMF/Cnoe, omaly. Mazava ny nambaran’izy ireo. “Anisan’ny fototra heverina fa mampandroso ny firenena ny fifampihainoana“, hoy ny fanambarana. Nambaran’izy ireo fa nihaino ny hetahetan’ny KMF/Cnoe ny Ceni sy ny fitondram- panjakana . Namoaka ny didim-panjakana mamaritra ny fanalavam-potoana ny fanovana ifotony ny lisitry ny mpifidy. Milaza […]
Auteur/autrice : Adnews
Petite vitesse: novahan’ny filoha ny olan’ireo mpivarotra
Nifampiresaka ny filoha Rajoelina Andry sy ny Ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Tsy vitan’izany fa mbola niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra sy namaha ny olana. […]
Lozam-pifamoivoizana: Jeneraly maty voahitsaky ny kamiao teo Namontana
Maty tsy tra-drano, voahosin’ny kamiao ny manamboninahitra jeneraly iray, omaly, teny Namontana. Voalaza fa nisongona avy aty amin’ny ankavanan-dalana izy. Nampivarahontsana ireo manodidiana ny fahafatesana jeneraly iray, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tetsy Namontana, omaly maraina. Tamin’ny 10 ora latsaka, tratran’ny lozam-pifamoivoizana izy raha nitondra moto avy any amin’ny “rond-point” Soanierana, nikasa […]
Petite vitesse: omen’ny filoha alalana hiasa ireo mpivarotra mandritra ny fety
Manoloana ny fitarainan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse, nandefa iraka manokana teny an-toerana ny filoham-pirenena, omaly, nihaona tamin’izy ireo. Niditra an-telefaonina mivantana tamin’ireo mpivarotra koa izy ary nitafa tamin’ ireo mpivarotra. Nambaran’ny filoha tamin’izany fa omena alalana malalaka hivarotra ireo mpivarotra, ho fitsinjovana azy ireo hiatrika ny fety. “Fanapahan-kevitra nifampidinihana […]
Fiadidiana ny Repoblika: mitaky asa ahitam-bokatra sy mba ho modely ny filoha
Nanamarika ny fetin’ny Noely, ny teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, omaly, teny Iavoloha. Nanafatrafatra ny mpiasa ny filoha Rajoelina Andry mivady, tamin’izany. “Mila ezaka sy fahitsiana avy amintsika mpiasa eto anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ny firenena. Aoka ho fitaratra sy ho modely amin’ny asa manoloana ireo Andrimpanjakana sy Minisitera. Mitaky […]




