“Mbola ao anatin’ny hamehana ihany isika. Ny fiarovan-tena voalohany dia ny fitandremana ny hanina sy ny sotroina, mba ho salama isika amin’ny taona 2023. Eo koa ny fiarovan-tena amin’ny fety”, hoy ny prefet Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Anton’izany ny mbola fisian’ny valanaretina covid-19, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra amin’izao […]
Auteur/autrice : Adnews
Jly Rakotonirina Richard: mampitandrina ny mpanakorontana
Hentitra ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard, momba ny fisian’ireo mikasa hanakorontana eto amin’ny firenena. Eo anilan’ny filoham-pirenena hatrany ny Foloalindahy… “Isika Foloalindahy malagasy dia mandray fepetra mialoha mba hisorohana ny krizy mety hitranga satria tandroka aron’ny vozona ary natao hiaro ny fiandrianam-pirenena. Vaindohan-draharaha ny fiarovana ny vahoaka […]
Vondrozo: tafaverina ireo omby nalain’ny dahalo
Avotry ny zandary sy ny fokonolona ireo omby roa nalain’ny dahalo tao Ambohimahasoa fokontany Ifoitry, kaominina Anandravy, distrikan’i Vondrozo, ny alatsinainy teo. Vantany vao lasan’ireo dahalo ny omby, nampandre ny zandary ny tompony. Nanao ny fanarahan-dia arak’izany ny fokonolona sy ny zandary roalahy. Nifanehatra tao amin’ny fokontany Mangaikarea, kaominina Andoharano […]
Lozam-pifamoivoizana: fatin-dehilahy nitsirara teo amin’ny arabe
Vao mangirandratsy, hitan’ny fokonolona teo afovoan’ny arabe anatin’ny lalam-pirenena faha-12 , PK 145 + 200, teo amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Vohitsindry, distrikan’i Vohipeno, ny fatin-dehilahy nihosin-dra, afakomaly. Olona sendra nandalo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no nampandre ny polisy ao an-toerana. Nidina nanao ny fizahana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. […]
Hazo nidaraboka: vehivavy iray maty, telo naratra
Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly Mahanoro, ilay ramatoa 40 taona, mpivarotra amoron-dalana, nilatsahan-kazo omaly tao Bazar Be Mahanoro, ampitan’ny biraon’ny polisy. Tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo, tsy nisy nanampo ny rehetra. Nidaraboka tampoka ilay hazo ka nidoboka tamina ramatoa mpivaro-trondro teo an-toerana. Lehilahy iray naka […]




