Auteur/autrice : Adnews
Nahampoana: hisintonana mpizahatany
Miverina tsikelikely ireo mpizahatany vahiny mpandeha sambo vaventy, mitsidika ny morontsiraka sasany eto amin’ny Nosy, rehefa tsy hita nandritra ny roa taona, noho ny valanaretina Covid-19. Hatramin’ny volana oktobra tamin’ity taona ity, nisy dimy izao ireo sambo vaventy nandalo teto Madagasikara, Ohatra Hanseactic Spirit nandalo tany Taolagnaro, nahitana mpizahatany alemaina […]
Betafo: misokatra ny tsenan’omby
Misokatra ny tsenan’omby ao Betafo, kaominina dimy ao anatin’ny distrika no mahazo tombontsoa avy amin’izany, raha voatery mankany Mandoto na Antsirabe ireo mpivarotr’omby teo aloha. Tombontsoa azo amin’ity tsena ao Betafo ity ny fisorohana halatr’omby sy hanala fahasahiranana ireo mpivarotr’omby amin’ ny taratasy sy fanarahana ny fahasalaman’ny omby. Fanampin’izay, ny […]
Rafidison Richard Theodore : “Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny haratsian-dalana”
Roa taona sy tapany izao no naha-governoran’ny faritra Atsinanana an-dRafidison Richard Theodore. Aminy, tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny faritra ny haratsian-dalana, fa lasa hery hikarohana vahaolana ny hanatsarana azy ireny. Isan’izany ny famakian-dalana, mirefy 20 km tany Ampasimbe Onibe, distrika Toamasina II. «Mandeha indray izao ny fanarenana ny mampitohy an’i […]
Tetikasa Filamatra-kaominina Tsiafahy: nofanina hifehy ny famokarana biolojika ny tantsaha
Nanao hetsika manokana ny tompon’andraikitry ny tetikasa Filamatra, omaly sy anio, eny amin’ny kaominina Tsiafahy, distrika Atsimondrano. Nampahafantarina ny mombamomba ny tetikasa, ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena biolojika… Nisy koa ny famelabelaran-kevitra samihafa. Nohazavain-dRazafindrakoto Mamonjisoa, mpandrindra ny tetikasa Filamatra, tanterahin’ ny Faribolana fanadihadiana marolafy mikasika ny tontolo iainana sy ny […]




