Mitentina 260 tapitrisa Ar ny toby famatsian-drano fisotro avy amin’ny orinasa QMM ho an’ny tanànan’Andrakaraka, kaominina Taolagnaro. Ao anatin’io famatsiam-bola io koa ny kojakoja fanolo ilaina any aoriana any. Fomba fanasivanana voajanahary no entin’ity fotodrafitrasa ity, mamatsy paompy miisa telo ao an-tanàna. Mampihodina azy ny angovo azo havaozina avy amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
FAO sy Micc : miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo
Eo ny minisiteran’ny Indostria, ny varotra sy ny fanjifana (Micc), miaraka amin’ny fanohanan’ny FAO, miara-miasa hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fepetra iraisam-pirenena. Niarahan’ny roa tonta nanao sonia, omaly, ny tetikasa amin’ ny fanamafisana eto amin’ ny firenena ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ara-pahasalamana. Ampiasaina avokoa ny fitaovana teknika rehetra sy fepetra […]
Amoron’i Mania : nidina ifotony ny minisitra roa
Niaraka nidina tany Ambositra, faritra Amoron’i Mania, ny 25 febroary teo, ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, Rakotomalala Herindrainy Olivier, sy ny ao amin’ ny Angovo sy ny akoranafo, Andriamanampisoa Soloniaina. Anton-dian’izy ireo ny nijery ny fotodrafitrasa simban’ny rivodoza Freddy, sady nitondra fanampiana ho an’ny traboina. […]
Antenimierandoholona: fiaraha-miasa maro amin’i La Réunion
Maromaro ny toerana notsidihin’ny delegasiona malagasy tarihin’ny filohan’ny Antenimierandoholona (PS), Razafimahefa Herimanana, atsy amin’ny Nosy La Réunion, hikarohana fiaraha-miasa. Notsidihina ny foibe frantsay iraisam-pirenena mikasika ny fampianarana, fanofanana ny olom-boafidy, ny mpianatra, ny mpiasa ambony, ny fitantanan-draharaha, ny tanora mpiasa, sns. Eo koa, ny Conservatoire botanique de Mascarin (CBN), misahana […]
Anjozorobe : nohamafisina ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana
Mitohy ny hetsika hametrahana ny fandriam-pahalemena ataon’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. Afakomaly, nanentana ireo mponina avy ao amin’ny kaominina Andranomisa, distrika Anjozorobe ny mpitandro filaminana. Voaresaka tamin’izay ny tagnamaron’ny fandriam-pahalemana. Hetsika natao hisorohana sy hanafoanana ireo trangana fakana an-keriny eny ambanivohitra. Nitarika ny dinika tamin’izany ny kapiteny […]





