Auteur/autrice : Adnews

« Somaroho ! » andiany faha-12: Handrasana ny anaran’ireo vahiny mpanakanto

Nivoaka tamin’ny fakan-kevitra ho an’ny mpankafy ny anaran’i Shenseea, handray anjara amin’ny « Festival Sô­maroho ! » any Nosy Be. Tsy mbola tena raikitra anefa ny hahatongavany, raha ny fanazavana nomen’i Wawa, oma­ly, nandritra ny fihaonany ta­min’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny Yas Andra­ha­ro. « Tsy maintsy misy vahiny mpanakanto sady malaza ho avy […]

Fifaninanana « Eloquentia » : Solontena any Paris izay mandresy

Ahmed Affandi Ramanantenasoa Cheriza. Abdoul Anlim Abdillah, Manjatomalala Ratafikaharijaona Livasoa ary Anssoufouddine Rabezafy Sarah. Ireo izy efatra mianadahy hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay fifaninanana mandaha-teny amin’ny teny frantsay, «Eloquentia». Hotontosaina ny sabotsy 7 jona izao, etsy amin’ny Arena Viva Ivandry, ma­nomboka amin’ny 9 ora maraina ny famaranana ity fifaninanana ity. […]

Tsenaben’ny boky – Arikaomsa Randria: « Mampanahy ny hoavin’ny tontolon’ny boky »

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Nosokafana, omaly, ny « Tsenaben’ ny boky ». Naneho ny heviny momba ny hoavin’ity loharano tsy ritra ity i Arikaomsa Randria. Notanterahina omaly, teo anoloan’ny Tranombo­kim-pirenena Anosy, ny fanokafana ilay hetsika «Tse­naben’ny boky». Fotoana ni­haonan’ny mpamaky boky ta­min’ireo mpikirakira ny tontolon’ny boky. Samy […]

Vaovao tambatra

Tsy azo ihodivirana ny delestazy ho an’ity taona ity. Lasa aloha loatra ny haintany, miiba ny famokarana herinaratra ao Andekaleka ka mahatonga ny fahatapahan’ny herinaratra lavareny eto Anta­nanarivo sy ny manodidina. Miakatra hatrany amin’ny 5% isan-taona ny fangatahana fampidirana herinaratra noho ny fitomboan’ny mponina ka mitarika ny tsy fahampian’ny fitsinjarana. […]

Fampiasana ny angovo madio : Vonona hanohy ny asany ny Marea

Nanamafy ny fahavononany hampiroborobo ny fampiasana angovo madio sy azo havaozina eto Madagasikara, tanjona iray apetraky ny fan­jakana ho an’ny taona 2030, ny Madagascar Renewable Energy Association (Marea). Nivoitra izany nandritra ny fivoriambe voalohany nataon’ny mpikambana ny 28 mey teo. Fotoana nampahafantarana ny rehetra ny filoha vaovao, Rémy Huber, hitantanana […]