Somary nangingina kely ny raharaha politika taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana izay ho ben’ny Tanàna, manerana an’i Madagasikara. Ny mpitazana ety ivelan’ny fitondrana sy ny heverina ho mpanohitra samy tsy handrenesam-peo. Ny mpanohana sy mpiara-mitantana koa, sahalan’ny nanakombom-bava. Zara raha misy ny minisitra sahy miseho masoandro. Vitsivitsy no sahy manohana ampahibemaso […]
Auteur/autrice : Adnews
Minisiteran’ny Raharaham-bahiny: Hapetraka ny rafitra hiady amin’ny kolikoly
Efa an-dalana ary miroso amin’ny fametrahana ny rafitra miady amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE). Notanterahina omaly, tetsy Anosy, ny atrikasa niarahana tamin’ny eo anivon’ny Bianco, hametrahana rafitra miady amin’ny kolikoly eo anivon’ity minisitera anisan’ny miantoka ny fiandrianam-pirenena ity. Nampiandraiketina izany ny foibe fanadihadiana sy mandalina ny paikady […]
TSELATRA
Lehilahy iray voasambotry ny fokonolona ka nalain’ny mpitandro filaminana hatao famotorana rehefa nikasa hanolan-jaza tao amin’ny fokontany Ampatana, kaominina Antsirabe, omaly. Zazavavy 6 taona nokasainy hanaovana ny filan-dratsiny saingy nisy nahatsikaritra. Jiolahy roa lahy nanambana basy nandroba moto nentina renim-pianakaviana iray tao Toamasina, omaly. Voasakana, nalain’ireo olon-dratsy an-keriny teny amin’io […]
Mpampanofa moto ho an’ny jiolahy: Voasambotra ny roa lahy voarohirohy
Voasambotry ny Service anti-gang (Sag) tetsy Anosizato, ny alahady teo, ireo lehilahy roa, 20 taona sy 26 taona. Voarohirohy ho niray tsikombakomba sy mpampanofa moto ho an’ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana eto Antananarivo Renivohitra izy ireo, raha ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Voatsongon’ity sampandraharaha ity ny dian’izy ireo, taorian’ny fanadihadiana nandritra […]
Sakaraha : Dahalo telo maty voatifitra
Lavon’ny tifitry ny mpanara-dia ny dahalo telo tamin’ireo fito nangalatra omby tao amin’ny fokontany Analatelo, kaominina Andranolava, distrika Sakaraha, afakomaly. Nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika, naka omby miisa enina tao amin’ny tanànan’i Teninde, ao anatin’io kaominina io, ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy izy ireo ary nentiny nandositra ny omby. Nanara-dia avy hatrany […]