Auteur/autrice : Adnews

Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy : Omena vahana ao anatin’ny herinandro ny fiofanana

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy, fanao isan-taona, i Madagasikara. Amin’ity taona 2025 ity, tsy ao anatin’ny indray andro tahaka ny natao hatramin’izay ny hetsika hotanterahina fa herinandro. Ny 22 avrily, hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny dihy. Tsy ao anatin’ny andro iray […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy ao anatin’ny faritra hotrandrahin’ny Base Toliara ny ala ahitana baobab. Nohamafisin’ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine, izany, omaly. Nohazavainy fa « any amin’ny Faritra arovana, alan’i Tsimanapetsotsa no ahitana ity hazo ity, izay an-jatony kilometatra, andehanana an-tongotra roa andro any ho any ». Diso, araka izany, ny filazan’ireo manohitra ny […]

Fitandroana ny tontolo iainana : Mihatra ny didim- panjakana Mecie vaovao

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Carlton Anosy, ny didim-panjakana fampifanarahana ny fampiasam-bola amin’ny tontolo iainana (Mecie), laharana 2025-080, nivoaka ny janoary 2025. Miandraikitra azy ny Ofisim-pirenena ho an’ny tontolo iainana (ONE). Fitaovana lehibe ho an’ny fampifandanjana ny fampiasam-bolan’ny orinasa sy ny fiarovana ny rohy voahary, ny hatsaram-piainana ara-tsosialy […]

Fitandremana hatrany

  Lalam-piainana tsy maintsy izorana ny fahafatesana. Maromaro anefa tato ho ato ny tranga namoizana ain’olona amin’ny fomba feno habibiana. Betsaka ny tranga tampoka loatra. Maro no niala ny trano hikarama tsy niverina intsony miaraka amin’ny ainy. Tsy vitsy ny niharan’ny ankasomparana sy ny fisotasotana ka niharan’ny vono olona ankitsirano. […]

Tohana avy amin’ny Base Toliara: Nodiovina ny lakandrano manondraka velarantany 3 000 ha

Mitohy ny fanohanan’ny tetikasa Base ny velon-tenan’ny mponina ao amin’ny kaominina miisa 5, Toliara II. Anisan’izany ny fanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky. Manohana ny tantsaha ny orinasa Base To­liara. Nanomboka oma­ly ny Fandaharanasa ho an’ny mponina eny ifotony, nanadiovana ny lakandrano Andoharanomamovoky, any Tsianisiha sy Ankilimaliniky, amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo). […]