Miisa 141 ireo mpandraharaha tafiditra ao anatin’ny lisitra voalohany nahazo alalana hanondrana lavanila amin’ny taom-piotazana 2026-2027, araka ny nambaran’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Afaka maka ny taratasy fanomezan-dalana eny an-toerana nanomboka omaly, ireo voakasika. Nitombo isa ireo nahazo alalana raha oharina tamin’ireo taom-piotazana teo aloha. Miisa 115 ny mpandraharaha […]
Auteur/autrice : Adnews
« Andron’ny Fifanarahana » : Fiaraha-miasan’ny Medd amin’ny mpiara-miombon’antoka miisa 30
Nanomboka ny zoma 16 oktobra teo ny fankalazana ny « Andron’ny fifanarahana », ho an’ny sehatry ny tontolo iainana. Nofaranana, omaly, tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny mpisehatra samihafa ny hetsika. Nohamafisina, omaly, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Miisa 30 izy ireo […]
TSELATRA
Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ny teratany tanzaniana iray tra-tehaka tetsy amin’ny seranam-piaramanidina teny Ivato. Voarohirohy ho anisan’ireo mpanao trafika sokatra sy mpanondrana izany antsokosoko any ivelany izy io. Voasambotra ny 17 oktobra 2026 lasa teo ny tenany, raha nikasa hiditra teto Madagasikara. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny trafika sokatra miisa 1552 […]
Olona enina voasambotra : Avotra ilay zaza nalaina an-keriny
Hita sy avotra soa aman-tsara tany Soavina, disitrikan’i Betafo, omaly maraina, ilay zaza telo taona, nisy naka an-keriny tany Ankarinarivo, kaominina Soavina, ny alin’ny 12 oktobra lasa teo. Salama tsara izy saingy mbola tsy nahavita niteny firy. Marihina fa olona enina no voasambotra nanomboka ny 15 Oktobra tamin’io raharaha io. […]
Antsofonondry : Mpitondra moto namoy ny ainy
Nodomin’ny fiara teny ambony moto niaraka tamin’ny olon-tiany ny tovolahy vao erotrerony, namoy ny ainy teny Antsofonondry, kaominina Sabotsy Namehana, distrikan’ Antananarivo Avaradrano, ny harivan’ny sabotsy 17 oktobra lasa teo. Naratra mafy ity lehilahy ity sy ny sakaizany. Tsy tana ny ainy raha toa ka nentina notsaboina teny anivon’ny hopitaly […]





