Auteur/autrice : Adnews

Raharaham-pirenena : Manohana ny vahoaka ny Nonce apostolique

Manaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena koa ny eo anivon’ny Nonce apostolique, solontenan’ny Vatikana eto amintsika, ny Mgr Tomasz Grysa. Nambarany tamin’ny sorona Masina fitokanana Sanctuaire Mb Terezin’i Jesoa Zaza­kely, tany Belo ambonin’i Tsiribihana fa anisan’ny miara-mizaka ireo mafy rehetra mihatra sy mahazo ny vahoaka eto amin’ny firenena koa ny eveka. « Anisan’ny […]

Praminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat : “Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro ny governemanta hijoro”

Andrasana fatratra amin’izao ny fijoroan’ny governemanta vaovao. Hanao ahoana? Misokatra amin’ny ankolafin-kery maro, araka ny nambaran’ny Praiminisitra, ny Jly Zafisambo Ruphin Fortunat, izany. “Ny governemanta hijoro eo dia governemanta misokatra amin’ny ankolafin-kery maro sy ny sehatra iombonana amin’ny fanarenana ary ho antoka amin’ny fanajana ny rafitra demokratika sy ny zon’ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny fiofanana “Fijery Hafa” ao amin’ny distrikan’i Fianaran­tsoa. Maro ireo mpiofana mandray anjara amin’ity andiany ity, mifantoka amin’ny lohahevitra fahaiza-mi­tarika, fananganana orinasa, fampivoarana ny tena ary ny informatika. Nisongadina nandritra ny fiofanana mom­ba ny fananganana orinasa ny fandraisana anjaran’i Nelson, olona ma­nana fahasembanana ara-pahitana (jamba), izay […]

Fikambanan’ny vehivavy mpitarika: Tokony hisy sehatra ifampihainoana

Mahatsiaro manana adidy ny vondron’ny vehivavy mpitarika manoloana ny zava-mi­tranga eto amin’ny firenena. Fandriampahalemana sy fi­fam­piresahana no mila atao hisian’ny vahaolana mahomby, raha ny hevitr’izy ireo. Manamafy ny fandraisany andraikitra momba ny fitandrovana ny zon’olombelona, indrindra ny maha masina ny aina sy ny fahalalahana haneho hevitra ary ny fandraisan’ anjara […]

Aretina Alzheimer: Mitondra fikoron­ta­nana ny fitaizana marary

Anisan’ny toerana fitaizana ireo olona tratry ny aretina alzheimer ny fikambanana Masoandro Mody etsy Mahazoarivo. Nanazava izy ireo fa miteraka fikorontanana ho an’ny manodidina ny fikarakarana marary noho ny antony maro. Eo amin’ny ara-pihavanana, sarotra ny fifanajan’ny havana ny marary rehefa tsy hainy ny tokony hitondrana ny fikarakarana. Mitsara vilana […]