Auteur/autrice : Adnews

Fanakaikezana vahoaka : nizara bokin-dalàna tany am-piangonana ny fitsarana

Mitohy ny fampahafantarana ny lalàna tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsarana. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny tontolon’ny fitsarana izany. Notanterahina, ny herinandro teo, tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Mahajanga, ny fanapariahana ny lalàna. Nitarika izany tany an-toerana sady niara-niombom-bavaka tamin’ireo kristianina ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. “Natao izao […]

Angovo azo havaozina: hamokatra herinaratra ny Marea

Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fampiroboroboana ny tahan’ny famokarana sy fisitrahana herinaratra eto Madagasikara izay ho tonga hatrany amin’ny 800 MW ka avy amin’ny angovo azo havaozina ny 70% amin’izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny «Birdy» Galaxy Andraharo, ireo mpisehatra matihanina sy mpamokatra angovo azo havaozina […]

Fampandrosoana : hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ny Miami

Hampitombo ny toekaren’ny mponina sy ny tanànan’i Toamasina ary hampiakatra avo ny sehatry ny fizahantany ao an-toerana ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami). Hampidi-bola hatrany amin’ny 40 miliara Ar ity fotodrafitrasa nandrasan’ny maro ity. Tanteraka ny fanamby! Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny Miray Hina ary Mifankatia (Miami) […]

INDRAY MIJERY

Nanatanteraka hetsika “tagnamaro, andron’ny olom-pirenena” avokoa ny sekoly teknika ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy ny ivontoeram-piofanana CFP Pagnarena, CFP Mahafasa, CFPF Farafangana sy Van­gaindrano, ny Lycée Teknika Farafangana, Vangain­drano, Vondrozo. Fanatsarana ny toeram-piasana no notontosaina nandritra izany. Ny fisian’ny rindrin-drahona ao atsinanan’ny Nosy no mandrafitra ny toetry ny andro anio. […]

Fikambanana Musulman Ahmadiyya : nankalaza ny fetin’ny sorona

Andro lehibe ho an’ny mpino silamo rehetra ny fankalazana ny fetin’ny “Eid ul-Adha” na ny fetin’ny sorona. Tsy diso anjara amin’izany fa nankalaza koa ny fikamba­nana islamo Ahmadiyya eo Andavamamba. Araka ny fa­nazavan’ny misionera anisan’ ireo mpitarika ny Ahmadiyya, Moussah, fa fankalazana ny sorona nataon’i Abraham tamin’i Ismaela zanany ity […]