Notanana vonjimaika any am-ponja, ny alin’ny alakamisy 17 jolay, ilay serza sy adjidà niampy vehivavy niray tsikombakomba, tamin’ny fakana an-keriny tao Ankadikely Ilafy. Nikasa hahazo vola mitetina 10 tapitrisa Ar tamin’ny rangahy izay vadin’ilay ramatoa nataony takalonaina izy ireo kinanjo tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Nalain’ireo tsy mataho-tody tao amin’ny trano […]
Auteur/autrice : Adnews
Nivarotra menaka hosoka: Roa lahy nosamborin’ ny polisy
Mamono vahoaka amin’ny alalan’ny hosoka, nosamborin’ny mpitandro filaminana ireo roa lahy nivarotra menaka sandoka tao Tanambao Sotema Mahajanga, ny alarobia 16 jolay teo. Nikasa hividy menaka ny renim-pianakaviana iray ka tojo azy roa lahy. Tsy nisalasala nanonona ny vidin’io entana io ireo mpisandoka. Taitra ilay ramatoa satria mora tsy araky […]
Fanapoizinana teny Ambohimalaza : Mihenjana ny fianakaviana, mifamotika ny politisianina
35 andro katroka androany ilay “Anniversaire mainty”, teny Ambohimalaza. Olona 31 no maty. Tsy hita ny tena marina. Mihenjana ny fianakaviana. Mivadika ho fifamotehan’ny politisianina ilay tranga. Tsy hilefitra vokatry ny famoizana ny ain-janany sy havany nateraky ny sotasotan’ny hafa, taorian’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza, iray volana aty aorian’ny tranga, […]
Sekoly fanabeazana fototra: Tsy hita soritra ny any ambanivohitra
Ambaratonga voalohany na sekoly fanabeazana fototra an’ny fanjakana ny ankamaroany manerana ny Nosy. Hatramin’izao, tsy hita soritra ny any ambanivohitra. Fanaovana tombana izao fotoam-pialantsasatra izao momba ireo olana samihafa . Niainga avy any ivelany ny tantaran’ny fampianarana eto Madagasikara, nanamarika ny tantaran’ny Nosy nanomboka tany amin’ny taonjato faha-XIX. Tamin’io fotoana […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 5 ny tena andraikitry ny filoha Rajoelina Andry, hitarika ny Sadc, manomboka amin’ny aogositra 2025. Mitarika ny asan’ny fihaonana an-tampony. Mamaritra ny laharam-pahamehan’ny Sadc. Misolo tena ny Sadc sy ny mpikambana any amin’ny fivoriambe iraisam-pirenena. Mandrindra ny asan’ny Troïka. Manara-maso ny fandaharanasa. Mitentina 3,5 tapitrisa dolara ny tetikasa hiatrehana […]




