Auteur/autrice : Adnews

Randrianarisoa Rijamanitra: Hotantaraina an-tsehatra ny 30 taona nandihizany

Homarihina amin’ny seho ny niangalian-dRandrianarisoa Rijamanitra ny taranja dihy,  nandritra ny 30 taona sy 25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”. Ny alahady 2 aogositra izao no hanaovana izany, eny amin’ny CCI Ivato. Tsy ho avelan-dRandrianarisoa Rijamanitra handalo fotsiny ny fankalazana ny faha-30 taona nandihizany sy ny fa­ha-25 taona nitsanganan’ny “Dih’Art Madagascar”, sekoly mampianatra mandihy […]

Fikaonandoha : Manohana ny FFKM ara-teknika ny fanjakana

Notanterahina tao Tsiroa­nomandidy ny lanonana fa­metrahana amin’ny fomba ofisialy ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Bon­go­lava. Nanome toromarika ho an’ny rehetra ny minisitra mi­sahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tohanan’ny minisitera amin’ny lafiny teknika ny FFKM amin’ny hana­tanterahana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny andraikitry ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana, […]

Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël : « Ilaina ny fanovana toe-tsaina sy toe-panahy »

Anisan’ireo niatrika ny fanamasinana ny Mgr Andrianandrainy Jeannot Martial ho eveka mpanampy ao amin’ny diosezin’i Morondava ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny alahady teo. Nisy ny hafatra nampitainy tamin’ny lahateniny. «Miainga amin’ny fanovana ny toe-tsaina sy ny toe-panahy, fa tsy amin’ny asa sy ny fotodrafitrasa ihany ny tena fanavaozana», […]

Vokatra avy amin’ny voatabia voahodina : Mihatra ny haba fanampiny 40%

Miaro ny famokarana sy ny fanodinana eto an-toerana. Izay no tanjon’ny Fahefana nasionaly misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra (ANMCC) amin’ireo vokatra avy amin’ny voatabia voahodina hafarana. Mihatra mandritra ny efa-taona ny haba fanampiny ho an’ireo vokatra voalaza. Nihatra nanomboka ny 1 jolay 2026 ny haba fanampiny 40% (prix Caf) mandritra […]