Nanaporofo ny antoko TGV eny amin’ny distrikan’ Atsimondrano fa ao anatin’ny tanjany tanteraka ankehitriny. Ny alakamisy teo, marobe ireo nanohina ny antso teny Mandrimena. “Mipetrapetraka ny rafitra ary manaraka ny fenitry ny antoko ny ety Atsimondrano”, hoy ny sekretera nasionaly, Rasoamaromaka Hery. Mifanampy ny politika sy ny mpitantana ny firenena […]
Auteur/autrice : Adnews
Fasimainty: Tsy niantraika tamin’ny fahasalamana ny andrana
Tsy ahina amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana ambanin’ny tany. Manamarina izany ny géologue Valiarimanana Jean-Pascal. Niasa tamin’ny sehatra ambanin’ny tany efa maherin’ny 20 taona i Valiarimanana Jean-Pascal. Manampahaizana amin’ny jeolojia sy ny harena an-kibon’ny tany. Nivoaka teny amin’ny oniversite Vontovorona, sady manana diplaoma MBA amerikanina. Mitazona andraikitra any amin’ny orinasa mitrandraka […]
VAOVAO TAMBATRA
Tohizana ny famatsiana solika ho tahiry ho an’ny orinasa Jirama hiantohana ny famatsiana herinaratra eto Antananarivo. Efa ho iray volana izao no miaina anatin’ny fahatapahan-jiro lavareny ny mponina. Mitombo isan’andro ihany koa ny faharetan’ny delestazy raha toa ka voalaza fa ho ora roa isan’andro izany. Ankehitriny, mananika ny ora enina […]
Tetikasa fihariana: Mitety faritra mampahafantatra ny fandraharahana
Napetraky ny fanjakana hanohanana ny fandraharahana ny fandaharanasa Fihariana. Nanomboka ny taona 2019, nahatratra 87 000 ny nahazo tohana taminy, manerana ny faritra 23, nahazo famatsiam-bola mitentina 199 miliara Ar. Disitrika 4 (Sambava, Antalaha, Andapa, Vohemar) any Sava, no nandehanan’ny ekipan’ny Fihariana ny 20-24 mey teo. Nohainoina ny filan’ny mpandraharaha, […]
Fitaterana: Fiaraha-miasa Airtel Money sy ny Taxi-moto
Maherin’ny 2 000 ny mpikambana ao anatin’ny VMTM, izay ankatoavin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Vita sonia ny 31 mey teo ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money amin’ ny Vovonana mpitatitra taxi-moto mailaka (VMTM). Mifantoka amin’ny fanomezana akanjo fanamiana miisa 1 000 misy famantarana, sy karatra Sim miisa 2 000 efa misy kaonty Airtel […]




