Anisan’ny fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina notontosaina teto amintsika ny Afafi -Nord AF nampiharina tany amin’ny distrikan’Ambilobe nandritra ny enin-taona. Maro ny vondron’olona ifotony nisitraka tombontsoa mivantana Ny Afafi Nord, amin’ny ankapobeny, dia fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina vatsina amin’ ny alalan’ny 11ème Fed. Ny GIZ no nanatanteraka ny tetikasa, teo anivon’ny Page 2. […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
«Loko iray». Ity ilay fampisehoana anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny alahady 8 jona, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hifandimby an-tsehatra ry Njara Marcel, Johanne, Nate Tex, Aya ary i Nampoina. Hisy fampiaraham-peo maromaro, araka izany, homanin’ireto mpanakanto ireto, hanehoana ilay lohahevitra. Fankalazana ny fiverenan’ny […]
FJKM Amparibe Famonjena : Vahinin’ny RFF ny Anjomaran’ny fitiavana Toamasina
Toy ny fanaony isan-taona, rehefa volana jona tahaka izao, manatanteraka ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy ireo mpanala fanadinana ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Tontosaina ao anatin’ny teny filamatra: “Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay”. Fiarahan’ny vavaka sy ny zavakanto, hotanterahina ao an-toerana, ny alarobia […]
« Festival Sabôtsibe » : Hanasongadinana ny omby
Manana ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka azy koa i Mandritsara. Hiditra amin’ny andiany faha-3 ny « Festival Sabôtsibe », izay hotontosaina ny 13 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Nalaina tamin’ny anaran’ny tsenan’omby Sabôtsibe isaky ny tapa-bolana ao Mandritsara ny anaran’ny hetsika, satria hanasongadinana ny omby gasy no tena tanjona amin’izany. […]
« Tapôlakaglady » : Rossy ranoiray no tadiavin’ny mpankafy
Manakaiky ilay fotoana hiverenan’ny « Tapôlakaglady ». Hiova tsy toy ny taloha ny hetsika, satria ny tarika Rossy ihany no hanafana ny fotoana, araka ny nambarany, omaly. «Rehefa natao ny fakan-kevitra tamin’ireo mpankafy marobe, Rossy ranoiray no tena be mpitady. Raha toa ka fampisehoana nandritra ny iray volana, niantsoana tarika […]




