Auteur/autrice : Adnews

Fandaharanasa PCP : Rafitra hananganana indostria maharitra

Paikady hampivoarana sy hampiroboroboana ny indostra malagasy ny « Programme For Country Partnership » 2026-2030. Fandaharanasa iarahan’ny fanjakana sy ny Onudi manatanteraka. Omena vahana ny hanodinana ny akora fototra eto an-toerana, hiantohana ny famoronan’asa mendrika ho an’ny tanora. Manana loharanon-karena tsy voatran­draka i Madagasikara, izay soa fanararaotra ho fampiroboroboana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Mahaontsa ny zava-misy ary tsy miady amin’ny nofo aman-dra isika, araka ny fanehoan-kevitry ny filoha teo aloha, Ravalomanana. « Ilay fanahy ratsy no iadiana… Mankasitraka ny fitondrana fa zava-dehibe ny fanehoana ny firaisankina sy tsy fanariana amin’ny fahoriana. Mila mifampatoky isika ary tandremo ny siosio fa mahatonga fisarahana », hoy izy. Misy […]

Hafatry ny filohan’ny FFKM : « Atsaharo ny herisetra fa tsy mamaha olana »

Niresaka fohy tamin’ny mpa­nao gazety ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Sa­moela Jaona, omaly, tetsy Ana­lakely. Niaiky ny tenany fa tena mandalo fotoan-tsarotra tokoa ny firenena amin’izao fotoana izao. Nahitsy anefa ny teniny fa tsy ny ratsy no hanjaka eto ary mino sy matoky an’Andriamanitra rahateo koa ny Malagasy. Hentitra […]

Fifampitokisana

  Tsy vitan’ny mpitandro filaminana irery intsony ny raharaha? Matoa nananganana rafitra sy hery manokana. Amin’ny fiatrehana ny ady amin’ny fangalarana sy famonoana olona etsy sy eroa amin’izao. Eo koa ny fangatahana tolo-tanana amin’ny fampitam-baovao avy hatrany amina tranga mampiahiahy. Tsy ifanomezan-tsiny. Aim-pirenena no lalaovin’ny sasany amin’izao. Mila fifanomezan-tanana, firaisankina, […]

Parvis Analakely : Nanaovan’ny mpiandry sy ny mpitondra angaredona ny devoly

Ho fanamarihana ny andron’ny fisaonam-pirenena, nanatanteraka fotoam-pivavahana, teny Analakely, ny FFKM sy ny fitondrana. Tanjona ny handroahana ny asan-devoly eto amin’ny firenena. Tao anatin’ny fisaonam-pirenena noho ny fahaverezana sy famonoana olona etsy sy eroa, nitarika fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fiaraha-miory sy fampaherezana ireo niharam-boina ny FFKM. Teny amin’ny tokotaniben’ny La­pan’ny Tanàna, […]