Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika sy ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany i Madagasikara amin’ity taona ity, eo amin’ny taranja kick boxing. Efa miomana amin’izany ny federasionina. Tsy niandry ela fa vantany vao lany, ny herinandro lasa teo, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny kick boxing dia efa nanatona ny […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Hamafisina ny fiarovana ny Valanjavaboahary Menabe Antimena (Apma). Tonga tany Beroboka, distrikan’i Belo Tsiribihina, ny tomponandraiki-panjakana rehetra, niaraka tamin’ireo fikambanana miaro ny tontolo iainana any an-toerana. Nohazavaina ny faritra misy ny tanin’i Deholme, ny faritry ny Ala Fady sy ny hafa tamin’ny alalan’ny fanehoana ny sarintany mamaritra azy ireo avy. […]
Zotra ana habakabaka: Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny Emirates
Nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, ny talata 12 mey teo, ny tomponandraikitry ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Emirates sy ny avy amin’ny sambo mpitsabo Mercy Ships. Naneho ny fahavononany hanohizana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Emirates. Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ny asa iarahana mivantana […]
Fahaleovantena niomerika : Fanamby hampivoarana an’i Afrika
Zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa niomerika afrikanina mba hiarovana ny angon-drakitra. Hampidirana ny teny sy ny kolontsaina afrikanina ao anatin’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) sy hampiroboroboana ny talenta sy ny fiaraha-miasa eto Afrika. Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Africa Forward Summit”, natao tany Nairobi. « Africa must move from digital dependence to digital […]
Rano : 144 000 m³ isan’andro ny banga amin’ny famokarana
Tsy ampy ny rano. Mahatratra 144 000 m³ isan’andro ny banga eo amin’ny famokarana rano eto Antananarivo. Antitra avokoa ny ankamaroan’ireo tambajotra mpitsinjara izany ka mahatonga fahaverezan-drano betsaka eto amintsika. Mbola sedra lehibe ho an’i Madagasikara ny tsy fahampian-drano, indrindra eto Antananarivo. Nambaran’ny minisitry ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, Dr […]




