Maro karazana, marolafy, misandrahaka ary tsy misy fetra raha ny mozika malagasy. Hoporofoina anatin’ny roa andro izany, mandritra ny hetsika « Dago Madness Beatz ». Ary raha hoe sehatra ho an’ny mozika tsy maro mpivoy? Izay indrindra no antony niketrehan’ny OZ Rekordz ny “Dago Madness Beatz”. Hetsika haka endrika “festivals” […]
Auteur/autrice : Adnews
Oniversiten’i Toamasina : mihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana
Tao anatin’ny taona maro nitondran’ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Mahatsapa ny rehetra fa nihatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fifampiresahana eo amin’ny rehetra. Maro ny tanora, malagasy sy vahiny, mandrato fahalalana eny anivon’ny oniversite eto amin’ny Nosy. Anisan’izany ny oniversiten’i Barikadimy sy ny any Ambatondrazaka, Vatomandry ary Fenoarivo Atsinanana. Mitondra […]
FANTINA sy FINTINA
Hidina ifotony any Toamasina, anio, ny filoha Rajoelina Andry. Hanombohana izany ny filankevitry ny minisitra. Hitohy amin’ny fitokanana sy fitsidihana ireo fotodrafitsara marobe izany. Tafiditra amin’ny famahana olana ny eny ifotony sy ny politikan’ny fanakaikezan’ny fahefam-panjakana eny anivon’ny vahoaka izao fahatongavan’ny filoha any an-toerana izao. Minisitra voalohany, nametra-pialana Andriamananoro Augustin. […]
Antenimierampirenena: tsy afa-manapa-kevitra irery ny filoha mpisolo toerana
“Efa nisy ny fivorian’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 avrily lasa teo, nanendry ny zokiny indrindra amin’ireo filoha lefitra enina”, hoy ny fanazavan’ny mpikamban’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotomanga Lanto, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fitantanana ny Antenimierampirenena taorian’ny fanalan’ny HCC ny filoha teo aloha, Razanamahasoa Christine. Ny […]
Entan-jaraina mora zaka
Ho tanterahina any Toamasina, anio, ny filankevitry ny minisitra. Fivoriana isan-kerinandro tarihin’ny filohan’ny Repoblika. Mampahatsiahy ny filankevitra mitety faritra tamin’ny fitondran-dRatsiraka Didier sy ny praiminisitra Andrianarivo Tantely. Fanamafisana ilay faritany mizaka tena napetrany mba hanakaikezan’ny fahefana ny vahoaka. Vakilay tamin’ny fikasana hametraka ireo fanjakana federaly, hampahaleotena ny faritany, indrindra […]