Tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana manerana ny Nosy, nanomboka ny taona 2014 hatramin’izao 2024 izao, raha raisina ny 10 taona farany. Mitohy hatrany ny sondro-bidy amin’ny fiainana andavanandro. Raha tsorina ny atao hoe fiakaran’ny vidim-piainana (inflation) eto, fitomboan’ny vidin-javatra ilaina andavanandro eo amin’ny fanjifana azy (Indice des prix à la consommation). Azo adika fitomboan’ny vola miasa koa […]
Auteur/autrice : Adnews
FANTINA sy FINTINA
Hamafisina ny fiambenana ny fonja amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, araka ny toromariky ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, nitsidika tany Miandrivazo. Notolorany karatra fanarahan-draharaha sy fitaovana informatika ho an’ny fitsarana koa ny any an-toerana. Nisitraka lalankely rarivato ny eny Ambodivona sy Ambohimanandray Ambohimanarina, araka ny fangatahan’ny mponina tamin’ny […]
Antoko RDS: «Tandindomin-doza ny fototra iorenan’ny demokrasia»
“Tsy afa-nanolotra kandidà ho solombavambahoaka kasaina hatao amin’ny volana mey 2024 ho avy izao izahay. Anisan’ny antony ny sakantsakana ara-bola toy ny fampiakarana natao tery vay manta ny anto-bola firotsahan-kofidina napetraky ny mpitondra ankehitriny”, hoy ny fanambaran’ny antoko Roso ho amin’ny demokrasia sosialy (RDS), nosoniavin’ny filohany, Rakoto Andrianirina Fetison, nampitainy […]
Hevitra no ampiadiana
Fotoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Fampielezana hevitra fa tsy vola, zavatra, fampisehoana… Hevitra izany no miady sy ampiadiana. Mby aiza? Raha ny marina efa tokony hiditra lalina amin’izany ireo mpirotsa-kofidina ny amin’izay antony irotsahany, izay karazana tolo-dalàna harosony, izay handreseny lahatra ny fahefana mpanatanteraka amin’izay asa andrasan’ny vahoaka aminy… […]
Fifidianana depiote: maherin’ny 40 ireo dosien’ ny kandidà tsy ara-dalàna
Maromaro ireo tsy nahafeno ny fepetra. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa misy ireo kandidà tsy ara-dalàna ny antontan-taratasy firotsahany. Mbola manana fe-potoana hatramin’ny anio anefa izy ireo. Miisa 46 ireo dosie an’ireo kandidà tsy ara-dalàna manerana ny Nosy, voarain’ny eo anivon’ny Ceni hatramin’ny faran’ny herinandro teo. “Tsy nahaloa ilay anto-bola […]