Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Nanao vonjitaitra vaky namonjena ny fahavakisan’ny fefiloha eny Malaza Ampitatafika, ny fanjakana, omaly. Miisa 2 000 ny gony misy fasika entina hanarenana ny fefiloha. Teo koa ny fanomezana masomboly miisa 480 fonosana sy zezika manodidina ny 6 taonina, ity farany izay ho tonga eny an-toerana afaka efatra andro. Nentanina koa ny […]

Trafika sokatra: Tambajotra hafa ny an’ilay depiote

Nanampy fanazavana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Andonirina Max Fontaine, omaly, mahakasika ny nandravana ny trafika sokatra iray teto amintsika. Fantatra fa tambajotra hafa mihitsy no iarahan’ilay solombavambahoaka nahatrarana sokatra miisa 112, ny 26 desambra 2024 teny Ambohibao. Raha ilay tambajotra rava ny faran’ny herinandro teo, […]

Harena an-kibon’ ny tany: Niakatra ho 15 600 dolara/t ny vidin’ny nikela

Miovaova ny vidin’ny nikela eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mahatonga izany ny famokarana ny bateria ho an’ny fiara eletronika. Miankina amin’ny lalan’ny tolotra sy ny tinady ny vidin-javatra. Araka ny vaovao navoakan’ny gazety boky mahakasika ny toekarena iraisam-pirenena, Agence Ecofin, tafidina 14 800 $/t ny vidin’ny nikela ny 3 janoary ary nisondrotra […]

TARATRY ny KANTO

“Mahiratra aho”, tontolo andro ho an’ny soratra mivoitra. Hotontosaina ny sabotsy 1 febroary izao ity hetsika ity, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Hisy ny fandefasana horonantsary, fampirantiana ary atrikasa manodidina ny tontolon’ny soratra mivoitra, sy hanasongadinana ny maha zava-dehibe azy ho an’ireo olona manana olana amin’ny fahitana. “Isika roa”. […]

Volana febroary : Hanao hetsika misesy ny Sehatra Bagasy

Raha ny vaovao azo farany. Hanatanteraka hetsika roa misesy ny Sehatra Bagasy amin’io volana febroary io. Ny tolakandron’ny sabotsy 1 febroary, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hanatanteraka ny «Asarama­nitra bagasy» izy ireo sy izay liana amin’ny tontolon’ny ba gasy. Ny sabotsy 8 febroary, hiatrika avy hatrany ny «Totorebika […]