Taranja vao haingana ny Padel saingy efa manenika an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Tsy nisalasala ny banky BNI Madagascar, hiara-kiasa amin’ny fanatontosana ny fifaninanana « Orange MPP Tour » ho an’ity taom-pilalaovana 2025 ity. Notanterahina ny talata 18 febroary lasa teo, tetsy amin’ny Parklife Alarobia, ny fifanaovan-tsonia, manamarika ny maha […]
Auteur/autrice : Adnews
Kaominina Ambodilazana
Raha hofantarina dia manaraka an’iny lalam-pirenena faharoa iny, eo amin’ny kaominina ambanivohitra Fanadrana no misy lalana miditra mankany Ambodilazana, 33,8 kilometatra ny elanelan’izany, mandeha lalan-dratsy. Ankoatra io kaominina ambanivohitra roa voalaza etsy ambony io, mbola tafiditra, voakasiky ny tetikasa Volobe II, ny kaominina ambanivohitra Satrandroy sy Ifito. Anatin’ny fokontany Ambodimanga, […]
Tetikasa Volobe faharoa: Mizotra antsakany sy andavany ny tetiandrom-panorenana
Manoloana ny tranga fahatapatapahan’ny herinaratra etsy sy eroa eto amin’ny Nosy, raha tsy hilaza afa-tsy ny eto Toamasina sy ny tambajotra iraisan’Antananarivo, manetsika ny fanadihadiany ny mpanao gazety. Nanomboka ny 15 novambra 2024 lasa teo, fotoana nitokanana ny birao fandraisana sy fifandraisana ho an’ny vahoaka eny ifotony sy nitsidihina ifotony […]
Fanabeazana ara-tontolo iainana : Mitohy ny “Sandwacth” sy “Kit Mad’ErE”
Tontosa afakomaly, tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina, ny atrikasa fifampizarana sy famolavolana ireo fitaovana enti-mampiofana ny fandaharanasa “Sandwatch” sy ny fitaovam-pampianarana “Kit Mad’ErE”. Miompana amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny morontsiraka ary ny torapasika ny fandaharanasa “Sandwatch”. Fitaovam-pampianarana, novolavolain’ny CREE niaraka tamin’ny Giz Page 2, kosa ny Kit MAD’ErE. Natao […]
Fanafihana mitam-piadiana: Jiolahy roa lavon’ ny polisy
Lavon’ny balan’ny polisy ireo jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, afokomaly. Azo sambo-belona kosa ny iray hafa. Anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nisesisesy teto Antananarivo Renivohitra izy ireo. Nataon’ny polisy hazalambo izy ireo ary voasambotra tao amin’ny trano iray tetsy Ankazotoho. Ahina ho anisan’ireo andian-jiolahy nanao fanafihana mitam-piadiana tetsy Andohan’Analakely […]