Notanana am-ponja, afakomaly, voasambotry ny polisin’ny Fip, ny jiolahy nanafika mpivarotra iray tao amin’ny Cité Valpinson, Toamasina, ny harivan’ny alakamisy 20 aogositra. Niantso vonjy ny mpivarotra ka nifanenjehan’ny fokonolona ireo mpanao ratsy. Tratra ny iray ary nahitana fitaovam-piadiana teny aminy. Vehivavy nisoloky vola an-tapitrisa voasambotry ny polisy tao Toamasina, afakomaly. […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsiroanomandidy : Mpihady volamena maty nihotsahan’ny tany
Namoy ny ainy ny roa tamin’ireo mpihady volamena efa-dahy nihotsahan’ny tany tao Tsimbilovolo, fokontany Mandrosoarivo, kaominina Fierenana, distrikan’i Tsiroanomandidy, afakomaly. Mpitrandraka am-polony no mivelona amin’ny asa fitrandrahana volamena ao amin’ny kariera iray anatin’io fokontany io. Nitranga tampoka ny loza, ny sabotsy 22 aogositra teo. Nianjera ny tamboho lehibe iray nanamorona […]
Horonantsary mamoafady : Zazavavy 13 nohararaotina
Zazavavy miisa 13, 4 hatramin’ny 15 taona, lasibatry ny asa ratsy nataon’ny ramatoa iray tao Aranta, kaominina Mahajanga. Nosamborin’ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana, ny zoma 21 aogositra lasa teo, ny ramatoa iray taorian’ny fitarainana voaray, ny faran’ny herinandro teo. Nitoroka tamin’ny ray aman-dreniny ny iray tamin’ireo zazavavy lasibatra. Nitaraina […]
Ambohimanga Rova : Roa vavy niaraka hita faty
Tovovavy 17 taona sy 21 taona hita faty teny Ambohimanga Rova, omaly. Novonoina tamin’ny alalan’ny zava-maranitra avokoa izy ireo. Vatana mangatsiaka, an’i Stephanie sy Haingotiana, no hany sisa hitan’ny fianakaviany tao Andranomatsatso, kaominina Ambohimanga Rova, omaly. «Voarasa antsy teo amin’ny tendany i Stephanie ary tsatoka zava-maranitra indimy no hita teo […]
Havàtsa-Upem 74 taona: Andiany fahefatra ny « Dia rodoben’ny vakiboky »
Fikambanan’ny poeta sy ny mpanoratra malagasy ny Havàtsa-Upem. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-74 taonany. Hisy ny « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahefatra. Hetsika hotanterahina ny sabotsy 5 septambra izao, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eo Analakely anoloan’ny Lapan’ny tanàna. Dia mizotra mankany amin’ny Garan’i Soarano. Mihodina mizotra mahitsy […]




