Auteur/autrice : Adnews

Toetry ny andro : Hanorana eto afo­voantany, rahampitso

Tsio-drivotra avy Atsinanana, amin’ny ankapobeny, no han­drafitra ny mety ho toetry ny andro, izay tsy marin-toerana any amin’ny ilany andrefana sy avaratra andrefan’ny Nosy ho an’ny telo andro manaraka. Vinan’ny toetry ny andro rahampitso, ny tolakandro sy ny takariva na ny alina: hanoram-baratra mitsitokotoko any Me­nabe, Melaky, Boeny, Sofia ary […]

Conim – Paramédicaux : Mangataka ny hampiatoana ny fanomezana fahazoan-dalana

Ho famerenana ny hasin’ny asan’ny infirmier eto Madagasikara, nandefa taratasy maro teny anivon’ny tomponandraikitra mahefa ny mpitantana ny Filankevitry ny Holafitra nasionalin’ny infirmiers eto Madagasikara (Conim) hirosoana amin’ny tena fanovana. Taratasy nalefa farany ho an’ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny 27 desambra lasa teo, ny momba […]

Tsipy kanetibe : Hiatrika fihaonana iraisam- pirenena 4

Feno ny fandaharam-potoan’ny Federation sport-boule malagasy (FSBM), ho an’ny taona 2025. Maro ny fihaonana iraisam-pirenena tsy maintsy hatrehina, anisan’ izany ireo fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Mi­avaka ny amin’ity satria voakasik’izany avokoa ireo sokajy rehetra. Miisa 4 izany ka eo aloha ny an’ny olon-telo miaraka, vehivavy, tanterahina any Douai France, […]

Karate-2025: Fifaninanana iraisam-pirenena maro no miandry ny federasionina

Ankoatra ny fampivondronana izay hitsongana ny handrafitra ny ekipam-pirenena, eo amin’ny taranja karate, efa miomana sahady amin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena ny Federasionin’ny karate-do malagasy (FKM). Maromaro ireo fandaharam-potoana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena miandry azy ireo, amin’ iny taona 2025 iny. Anisan’ izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy Cadet, Junior, […]