Auteur/autrice : Adnews

« Grand Tournoi d’Antananarivo »: tafita amin’ny dingana manaraka ireo ekipa sangany amin’ny OPL

Notanterahina teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo, nanomboka ny sabotsy sy ny omaly alahady, ny andro fahatelon’ny fifaninanana “Grand tournoi d’Antananarivo (GTA)”, taranja baolina kitra. Tafita amin’ny dingana manaraka avokoa ireo ekipa sangany amin’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League (OPL)”. Anisan’izany ny CFFA Andoharanofotsy, ny Elgeco Plus FC, ny Disciples FC, ny Ajesaia sy […]

DAKA AN-JORONY: Tsy marina velively

Nanambara Rakotondrabe Romuald, mpanazatra ny Barea de Madagascar fa diso ny filazana an-gazety fa hisy fihaonan’ny Barea amin’i Maroc sy i Mozambique, eo amin’ny lalao fanomanana amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny « Mondial 2026”. Voalaza tamin’izany fa hotanterahina ny volana janoary, ireo lalao roa ireo. Nanamarika i Me Rôrô fa nisy […]

Fibatana fonjamby-“Iwf grand prix” : niakatra sokajy 49 kg i Rosina, laharana faha-17

Nifarana ny faran’ny herinandro teo, tany Qatar, ny fifaninanana “Itw Grand Prix”, taranja fibatana fonjamby. Malagasy mpibata fonjamby roa no nisolotena an’i Madagasikara. Fifaninanana ao anatin’ny fifanintsanana hahazoana tapakila amin’ny « lalao olympika » ity natrehin-dRanda­fiarison Rosina sy Andriatsito­haina Tojo, tany Qatar, nanomboka ny 4 desambra lasa teo ity. Izy mianadahy ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Rugby, sokajy vehivavy. Tafita eo amin’ny famaranana ny SCB Besarety sy ny FTFA Antohomadinika. Miady ny laharana fahatelo, araka izany, ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTM Manjakaray. Mitohy ihany ny fahombiazana ho an’ny Aston Villa FC, […]

«2ème Grand prix karting»: Tompondaka i Timothée Andriamamonjiarison

Nifarana omaly, teny amin’ ny «circuit» SRK Ime­rintsia­tosika, ny «2ème Grand prix karting», dingana fahenina sady farany amin’ny fifaninanam-pirenena. Voaho­sotra ho tompondakan’i Mada­gasikara, i Timothée Andria­ma­monjiarison rehefa natambatra ny vokatra azo nandritra ireo dingana enina ireo. Marihina fa teo amin’ny laharana faharoa izy omaly. No­hamafisin’ity tompondakan’i Ma­dagasikara ity fa ny […]