Auteur/autrice : Adnews

Vaky kodiarana: Taksiborosy nivadika, olona iray maty

Nitrangana lozam-piarakodia namoizana ain’olona indray tao Ambavahaditany, fokontany Antanimbary, kaominina ambanivohitra sy distrikan’i Maevatanàna, ny sabotsy tolakandro tamin’ny 1ora sy 30 mn. Taksiborosy Sprinter miasa ao amina kaoperativa iray eny Ambodivona no nivadika tampoka vokatry ny fandehanana mafy. Niala teto an-dRenivo­hitra hihazo an’i Ma­ha­janga ity taksiborosy ity. Vaky tampoka teny […]

Tra-doza tetsy Ivandry : tsy maty fa manaraka fitsaboana ilay lasibatra

Ho fanitsiana ny vaovao nivoaka tamin’ny gazety Taratra, laharana faha-6284, pejy faharoa, ny zoma 20 desambra lasa teo, tsy maty sady tsy niparitaka loha, ilay lehilahy tra-doza nitondra moto teny Ivandry, ny alarobia 18 desambra lasa teo. Tsy nahatsiaro tena teo no ho eo. Nezahin’ireo nanatri-maso nentina teny anivon’ny toeram-pitsaboana […]