Auteur/autrice : Adnews

Raderanirina Sendrison: « Mbola manana ny fifidianana depiote ny vahoaka… »

Efa tokony hifantoka amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny ben’ny Tanàna indray ny rehetra. Io ny hevitra nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniela. “Tany demokratika i Madagsikara ka ny fanarahana sy fanajana ireo fitsipika mamaritra izany no anisan’ny fanehoana izany”, hoy Raderanirina Sendrison Daniela, kandidà nandritra ny fifidianana filoham-pirenena malagasy farany teo. Niantso ny rehetra, indrindra ny vahoaka […]

INDRAY MIJERY

Nandray anjara tamin’ny fivoriana ara-potoana nokarakarain’ny OIT tao amin’ny Foibe iraisam-pirenena momba ny asa any Turin, Italia, ny Akademia momba ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra malagasy. Manome fitaovana sy fomba fanofanana mikendry ny hampiroborobo ny asa mendrika eo amin’ny toekarena eny ambanivohitra ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny Akademia. Niofana mahakasika […]

Lakandrano Vallée de l’Est : manakana ny fikorianan’ny rano ny plastika

Manadio ny lakandrano Vallée de l’Est ny Apipa na­nomboka tamin’ity herinandro ity. Lakandrano mampitohy an’Andravoahangy amin’ny farihin’i Masay izy io. Hita sy voaporofo fa ny fako plastika sy ny fotaka no tena manentsina ny lakandrano. Mana­kana tanteraka ny fikorianan’ny rano izany. Manampy betsaka amin’ny fikorianan’ny rano avy any Ankatso, Ampandrana, […]

CFPF Antsofinondry : vehivavy 53 nisitraka Vatsin’ankohonana

Nidina ifotony teo anivon’ny ivontoeram-panofanana ho an’ny vehivavy (CFPF) Antsofinondry ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rahan­ta­nirina Gabriella. Nanome fampitaovana (tabilio sy kojako­jan-dakozia) entina hanatsarana ny ivontoerana sy hampiakarana ny kalitaon’ny fampiofanana omena ireo mpisitraka ny tenany. Mifanindran-dalana amin’ny fampiofanana ataon’ny tetikasa «Milofo sy Mijoro» izay tohanan’ny […]

Kaominina Imerintsiatosika : vita ny tsena Firaisankina mahazaka mpivarotra an’arivony

Marolafy ny fotodrafitrasa vaovao manova ny endriky ny tanàna eny amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Vavolombelon’ny fikirizan’ny ankolafin-kery ny fahavitan’ireo. Notokanana omaly ny fotodrafitrasa marolafy tao amin’ny kaominina Imerintsiatosika. Goavana indrindra tamin’izany ny fahavitan’ny tsena lehibe mahazaka mpivarotra an’arivony. Teo koa ny tranomboky fanovozam-pahalalana, ny Lapan’ny fanorona, ny lalana vita pavé ary ny […]