Toy ny isam-bolana dia efa mirotsaka any anatin’ny kaontin’ny tsirairay any ny karama an’ireo mpiasam-panjakana. Tsy tara mihitsy ry zareo tomponandraikitra manafaingana izany noho ny filana. Hafa anefa ny volana desambra, tsy tokony ho hadino. Raha volan’ny famonjena hoy ny kristianina dia volan’ny fandaniana ihany koa. Volam-pety no dikany […]
Auteur/autrice : Adnews
Base Toliara : mandritra ny 14 volana ny fandraisana mpiasa
Mampahafantatra ny mponina ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny tomponandraiki-panjakana. Hitondra fampandrosoana maro eny ifotony ity tetikasa ity. Midina ifotony ny tomponandraiki-panjakana milaza mivantana amin’ny mponina fa miverina misokatra ny orinasa Base Toliara, araka ny filankevitry ny minisitra, nivoaka ny 29 novambra 2024 teo. Voakasiky ny tetikasa ny kaominina miisa […]
TSELATRA
Nandalo mpitsabo avokoa ireo olona 85 niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, kaominina Andilanatoby, distrikan’ Ambatondrazaka, omaly. Henan’omby narary namidy teny an-tsena no voalaza ho niteraka ny loza. Voatery nentina namonjy ny CSBI tao Ambodinonoka avokoa ireo lasibatra. Telo mianadahy mpangalatra moto tra-tehaky ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DRSP […]
Nampiditra omby tao amin’ny labatoara: Patiraon’omby notafihin’ny jiolahy nisaron-tava
Tsy laitra iainana intsony ! Miseholany hatrany ny fanafihana mitam-piadiana etsy sy eroa ao andrenivohitr’i Toamasina. Ny alatsinainy 16 desambra 2024 vao maraina, nidirana andian-jiolahy dimy samy misaron-tava niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ny tao an-tokotanin’olona iray. Misy trano maromaro anefa ao amin’io tanàna io. Anisan’ny mipetraka ao ny mpandraharaha […]
Ambatomirahavavy : Mpivarotra rongony voasambotra
Lehilahy iray nosamborin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny fokontany Imerimanjaka, kaominina Ambatomirahavavy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao tamina tsara sitrapo ny zandary miasa eny an-toerana momba ny fisiana mpivarotra rongony. Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana, nosavain’ny zandary ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Sarona tao aminy ny rongony nilanja 832 grama. Efa notsinjarainy […]




