Sahala amin’ireo faritra sy distrika hafa, hampiseho ny mampiavaka azy ihany koa ny distrikan’i Nosy Varika. Hetsika hampahafantarana misimisy kokoa ity distrika ity, indrindra eo amin’ny kolontsaina sy zavakanto. Tanterahina ny 20 hatramin’ny 22 desambra 2024, any Nosy Varika, ny « Festival Sakaleona ». Andiany voalohany izy ity ary hanandratana ny kolontsaina […]
Auteur/autrice : Adnews
Renivohitr’i Toamasina : Mikorontana ny fifamoivoizana, miteraka loza maro
Anisan’ny olana mahatonga ny trangana tsy fandriampahalemana sy lozam-pifamoivoizana ny faharatsian’ ny fotodrafitrasa. Miaina tanteraka izany zava-misy izany ny ao Toamasina Renivohitra. Mikorontana tanteraka ny lafiny fifamoivoizana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka, amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro ao an-toerana. Vokany, tsy voahaja intsony ary minia tsy hajaina […]
FANTINA sy FINTINA
Nametraka fitoriana ny kandidà ben’ny Tanàna ao Toamasina, Ratsiraka Roland, manoloana ny voka-pifidianana any an-toerana. Tsy hanaiky resy hatramin’ny farany izahay na inona na inona mitranga, araka ny nambarany. “Aoka hifantoka amin’ity ady masina ity isika fa tsy hanao fety aloha na hanaiky horebireben’ny sasany” , hoy izy. Tokony hahintsana […]
Andriamarotafika Soava : “Tsy mandrirarira na miandry baiko ny Ceni”
“Tsy misy fandrirarirana, tsy misy hoe miandry baiko. Satria avantana amin’ny filohan’ny Ceni ny taratasy. Ho fanajana ny olona hiantefan’ny taratasy dia izay hiantefan’ny fangatahana no tokony hiandrasana ny fahatongavany”. Io ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny nametrahan’ireo depiote Tim taratasy ho an’ny filohan’ny Ceni […]
Tolo-kevitra, tolo-tanana…
Anisan’ny mahavariana sy mampiaiky ny vazaha amin’ny Malagasy, hono, ny famaliana fanontaniana ny fanontaniana, ohatra: “Ao ve dadanareo?” Valiny: “Hataonao inona izy? Misy ilanao azy angaha? ” Fa mahavariana ny vahiny koa ny mbola mahavelona ny Malagasy amin’izao hoe fahantrana izao: lalina, maharitra, manenika… Nahoana, hono, no mbola velona? […]




